1 Ny tenin'i Mpitoriteny, zanak'i Davida, mpanjaka tany Jerosalema. 2 Zava-poana dia zava-poana, hoy Mpitoriteny, zava-poana dia zava-poana, eny, zava-poana ny zavatra rehetra! 3 Inona no soa azon'ny olona amin'ny fisasarany rehetra izay isasarany aty ambanin'ny masoandro? 4 Lasa ny taranaka iray, ary mandimby kosa ny taranaka iray; fa ny tany mbola maharitra mandrakizay. 5 Ny masoandro koa miposaka, ary ny masoandro milentika sady miriotra ho any amin'ny fitoerana izay niposahany. 6 Mianatsimo ny rivotra, dia mihodina mianavaratra, mivezivezy mandrakariva izy ka miverimberina manodidina indray. 7 Ny renirano rehetra dia samy mankamin'ny ranomasina, nefa tsy tondraka ny ranomasina; any amin'izay falehan'ny renirano ihany no iverenany indray. 8 Maivana ny teny rehetra, ka tsy misy olona mahalaza; ny maso tsy mamo mijery, ary ny sofina tsy mamo mihaino. 9 Izay efa teo ihany no ho tonga indray, ary izay efa natao ihany no mbola hatao indray; fa tsy misy zava-baovao akory aty ambanin'ny masoandro. 10 Raha misy zavatra azo lazaina hoe: He! ity no vaovao, dia ilay efa teo ela tany amin'ny andro talohantsika ihany izany. 11 Tsy misy fahatsiarovana ny taloha; ary ny ho avy koa dia tsy hotsarovan'izay handimby azy. 12 Izaho Mpitoriteny dia mpanjakan'ny Isiraely tany Jerosalema; 13 ary nampiasaiko ny foko mba hitady sy hikatsaka amim-pahendrena ny zavatra rehetra izay atao aty ambanin'ny lanitra; asa mahareraka omena'Andriamanitra hisaran'ny zanakan'olombelona izany. 14 Efa hitako ny zavatra rehetra izay atao aty ambanin'ny masoandro; fa, indro, zava-poana sy misambo-drivotra foana izany rehetra izany. 15 Ny meloka tsy mety tonga mahitsy; ary ny tsy ao tsy mba azo isaina. 16 Hoy izaho tamin'ny foko: Indro, izaho nahazo fahendrena be dia be mihoatra noho izay rehetra talohako teto Jerosalema; eny, ny foko nahita ny fahendrena sy ny fahalalana betsaka. 17 Ary nampiasaiko ny foko hahalala fahendrena sy hahalala fahaverezan-tsaina sy fahadalana; dia fantatro fa misambo-drivotra foana koa izany, 18 satria izay be fahendrena dia be alahelo, ary izay mitombo fahalalana dia mitombo fahoriana.