1 Izaho dia voninkazo eny an-tanety ihany Sy lilia eny an-dohasaha. 2 Toy ny lilia eo aminl ny tsilo, Dia toy izany tompokovavy havako eo amin'ny zazavavy. 3 Toy ny hazo poma aminl ny hazo an an-ala, Dia toy izany ny malalako eo amin'ny zatovo. Mahafinaritra ahy indrindra ny mipetraka eo ambanin'ny alokalony, Sady mamy ao am-bavako ny voany. 4 Nentiny ho ao an-tranon-divay aho, Ary ny fanevany eo amboniko dia fitiavana. 5 Hatanjaho amin'ampempam-boaloboka aho, Ary velombelomy amin'ny poma aho, Fa mararim-pitia. 6 Aoka ny tànany ankavia hanondana ahy, Ary aoka ny tànany ankavanana hanohona ahy. 7 Mampianiana anareo amin'ny gazela na amin'ny dieravavy any an-tsaha aho, ry zanakavavin'i Jerosalema: Aza manaitra na mamoha ny fitiavana raha tsy efa sitrapony. 8 Injay, ny feon'ilay malalako! Indro tamy izy. Ka miantsambotsambotra eny an-tembohitra Ary mitsambikimbikina eny amin'ny havoana. 9 Ny malalako dia tahaka ny gazela na diera tanora; Indro, mijanona eo ala-tranonay izy, Mitsidika eo am-baravarankely, Manarangarana eo amin'ny makarakara. 10 Niteny ny malalako ka nanao tamiko hoe: Mitsangàna, ry tompokovavy havako, ry tsara tarehiko, ka andeha ary! 11 Fa, indro, lasa ny ririnina, Ritra tsy misy intsony ny ranonorana; 12 Miposaka eo amin'ny tany ny voninkazo; Tonga ny taona fanaovam-peo fifaliana, Ary re aty amin'ny tanintsika ny feon'ny domohina. 13 Ny aviavy mahamanitra ny voany tanora, Mamony ny voaloboka ka mamerovero tsara. Mitsangàna, ry tompokovavy havako ry tsara tarehiko, ka andeha ary! 14 E, ry voromailalako ao amin'ny tsefatsefaky ny harambato, Dia ao amin'ny fialokalofana amin'ny fiakarana mideza, Aoka hahita ny endrikao Sy handre ny feonao aho; Fa mamy ny feonao, sady mahafinarita ny endrikao. 15 Sambory ny amboahaolo, dia ireo amboahaolo madinika izay manimba ny tanimboaloka; Fa efa mamony izao ny voalobotsika. 16 Ahy ny malalako, ary azy aho, Dia ilay miandry ny ondriny eny ny lilia. 17 Mandra-pangatsiatsiaky ny andro, ka efa hilentika ny masoandro, Mitodiha, ry ilay malalako, ary aoka ho tahaka ny gazela na ny diera tanora Eny an-tendrombohitra be hantsana hianao.