1 Endrey, tsara tarehy hianao, ry tompokovavy havako! Endrey, tsara tarehy hianao! Ny masonao dia voromailala eo amin'ny fisalobonanao; Ny volonao dia tahaka ny osy andiany, Izay mandriandry eny an-kilan'ny tendrombohitr'i Gileada. 2 Ny nifinao dia tahaka ny ondrivavy andiany efa voahety, Izay miakatra avy eo amin'ny fampandroana; Samy kambana avy ireo, Fa tsy misy tsy mana-namana. 3 Tahaka ny kofehy jaky ny molotrao, Ary mahafinaritra ny vavanao; Tahaka ny hasin'ampongabendanitra ny takolakao Eo amin'ny fisalobonanao, 4 Ny vozonao dia tahaka ny tilikambon'i Davida, Natao ho trano fihantonam-piadiana; Ampinga arivo no voahantona eo, Dia ny ampinga rehetra an'ny lehilahy mahery. 5 Ny nononao roa dia toy ny diera kambana mbola tanora, Izay homana eny amin'ny lilia. 6 Mandra-pangatsiatsiaky ny andro, ka efa hilentika ny masoandro, Dia handeha aho ho any amin'ny tendrombohitry ny miora Sy ny havoan'ny ditin-kazo mani-pofona. 7 Tsara avokoa izato bikanao izato, ry tompokovavy havako; Tsy misy kilema hianao. 8 Hiaraka amiko avy any Libanona hianao, ry ampakariko, Eny, hiaraka amiko avy any Libanona, Hitazana eny an-tampon'i Amana, Eny an-tampon'i Senira sy Hermona, Eny an-davaky ny liona, Eny an-tendrombohitry ny leoparda. 9 Efa lasanao ny foko, ry havako ampakariko, Efa lasanao ny foko tamin'ny masonao an-ila Sy tamin'ny rojo anankiray amin'ny vozonao. 10 Akory ny hatsaran'ny fitiavanao, ry havako ampakariko! Akory ny hatsaran'ny fitiavanao! eny tsara noho ny divay! Ary ny fofon'ny menaka manitrao dia mihoatra noho ny zava-manitra rehetra! 11 Mitete tantely toy ny avy amin'ny tohotra ny molotrao, ry ampakariko; Tantely sy ronono no ao ambanin'ny lelanao, Ary ny fofon'ny fitafianao dia tahaka ny fofon'i Libanona. 12 Saha voahidy ny havako ampakariko, Loharano voahidy, fantsakan-drano voaisy tombo-kase. 13 Hianao no saha anirian'ny ampongabendanitra tsara voa, Sady misy kofera sy narda, 14 Eny, narda sy safrona, Veromanitra sy havozomanitra Sy ny hazo misy ny ditin-kazo mani-pofona rehetra. Miora sy hazo manitra Mbamin'ny zava-manitra tsara rehetra; 15 Loharano ao an-tanimboly hianao, Loharano miboiboika, Ary renirano kely avy any Libanona. 16 Mifohaza, ry rivotra avy any avaratra; avia, ry avy any atsimo, Mitsofa eny an-tsahako hielezan'ny fofony manitra. Aoka ny malalako hankaty an-tanimboliny Ka hihinana ny voankazony tsara.