1 Tamin'ny taona nankanesan'i Tartana tany Asdoda, raha nirahin'i Sargona, mpanjakan'i Asyria, izy ka namely an'i Asdoda ary nahafaka azy, 2 tamin'izany andro izany no nampitondran'i Jehovah teny an'Isaia, zanak'i Amoza, hoe: Andeha, borahy ny lamba fisaonana ho afaka amin'ny valahanao, ary esory ny kiraronao hiala amin'ny tongotrao. Dia nanao izany izy ka nandeha tsy nitafy sady tsy nikiraro. 3 Ary hoy Jehovah: Tahaka ny nandehanan'Isaia mpanompoko telo taona sady tsy nitafy no tsy nikiraro mba ho famantarana sy ho fahagagana ny amin'i Egypta sy Etiopia, 4 dia ho toy izany no hitondran'ny mpanjakan'i Asyria ny Egyptiana ho babo sy ny Etiopiana ho sambotra, na tanora na antitra, samy tsy hitafy sady tsy hikiraro no tsy hisarom-pe, ho henatr'i Egypta. 5 Ary ho raiki-tahotra sy ho menatra ny Isiraely* noho ny amin'i Etiopia fanantenany sy Egypta reharehany.[Heb. izy] 6 Ary amin'izany andro izany ny mponina et? amoron-dranomasina dia hanao hoe: He! ity manjo ilay nantenaintsika sady nandosirantsika ho famonjena antsika ho afaka amin'ny mpanjakan'i Asyria! Aiza intsony re no handosirantsika?