1 Mifohaza, mifohaza, tafio ny herinao, ry Ziona ô; tafio ny fitafianao tsara tarehy, ry Jerosalema ô, tanàna masina; fa tsy hiditra any aminao intsony ny tsy voafora sy ny maloto. 2 Ahintsano ny vovoka hiala amin'ny tenanao, ka mitsangàna, ary mipetraha, ry Jerosalema ô; vahao ny fatorana amin'ny tendanao, ry Ziona, zanakavavy babo. 3 Fa izao no lazain'i Jehovah: Tsy vola tsy harena no nivarotana anareo, ka dia tsy vola tsy harena koa no hanavotana anareo. 4 Fa izao no lazain'i Jehovah Tompo: Tany Egypta no nidinan'ny oloko tamin'ny voalohany mba hivahiny tany; Ary ny Asyriana koa nampahory azy tsy ahoan-tsy ahoana. 5 Ary ankehitriny inona no hataoko eto? hoy Jehovah, fa nobaboina tsy ahoan-tsy ahoana ny oloko; ny mpanapaka azy dia manakora, hoy Jehovah; ary mandrakariva dia hamavoina mandritra ny andro ny anarako. 6 Koa ny oloko dia hahalala ny anarako; Eny, amin'izany andro izany* dia ho fantany fa Izaho no miteny hoe: Inty Aho.[Na: Eny, ho fantany amin'izany andro izany Aho] 7 Akory ny hatsaran'ny tongotr'iry mitondra teny soa mahafaly er? an-tendrombohitra sady mitory fiadanana! Dia izay mitondra teny soa mahafaly sady mitory famonjena, eny, izay manao amin'i Ziona hoe: Mpanjaka Andriamanitrao! 8 Injany ny feon'ny mpitilinao! Manandratra ny feony izy ka miara-mihoby; fa ho faly izy mahita mifanatri-maso ny hodian'i Jehovah ho any Ziona. 9 Velomy ny hoby, ry fitoeran-drava any Jerosalema; Fa Jehovah efa nampionona ny olony sady efa nanavotra an'i Jerosalema. 10 Jehovah efa nampiseho* ny sandriny masina teo imason'ny firenena rehetra; ary ny faran'ny tany rehetra hahita ny famonjen'Andriamanitsika. [Heb. nampitanjaka] 11 Mialà, mialà ianareo, mivoaha, aza mikasika izay maloto, mivoaha avy eo aminy; madiova, ianareo izay mitondra ny fanak'i Jehovah. 12 Fa tsy tampoka no hivoahanareo, ary tsy lositra no handehananareo; fa Jehovah no hitarika anareo eo aloha, ary Andriamanitry ny Isiraely no ho vodi-lalanareo. 13 Indro, ny Mpanompoko ho hita ho hendry*, hisandratra sy ho ambony Izy ka ho avo indrindra. [Heb. hambinina] 14 Fa toy ny nigagan'ny maro Anao (Ny tarehiny dia simba ka hoatra ny tsy tarehin'olombelona akory, ary ny endriny hoatra ny tsy endriky ny zanak'olombelona), 15 Dia toy izany no hampihendratrendratany* ny firenena maro; ny mpanjaka hitampim-bava aminy; fa izay tsy mbola nolazaina tamin'ireny no ho hitany, ary izay tsy mbola reny akory no hosaintsaininy. [Heb. hanafànany]