1 Hianareo, zanak'i Benjamina, mandosira faingana Hiala an'i Jerosalema, Ary tsofy ao Tekoa ny anjomara, Ka manaova tsangan-afo[Na: manangāna famantarana.] ao Beti-hekerema; Fa misy loza sy fandringanana be miposaka avy any avaratra. 2 Ziona zanakavavy dia ampitoviko Amin'ny fiandrasan-ondry misy ahitra milenodenoka.[Na: Aringako ilay tsara tarehy sy mihantahanta, dia Ziona zanakavavy.] 3 Ao aminy no alehan'ny mpiandry sy ny ondry; Haoriny manodidina azy ny lainy, Ka samy handany ny ao akaikiny avy izy. 4 Mitaova hianareo hanao ady masina hamelezana azy; Mitsangāna, ka andeha isika hiakatra antoandro. Lozantsika! fa lasan-davitra ny andro, Ka efa mandroso ny aloky ny hariva. 5 Mitsangāna, ka andeha isika hanao latsak'alina, Ary aoka horavantsika ny trano-beny. 6 Fa izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro; Kapao ny hazo, Ary manandrata tovon-tany hamelezana an'i Jerosalema; Io ilay tanāna hovaliana, Feno fampahoriana ny ao anatiny. 7 Toy ny loharano mampiboiboika ny ranony No ampiboiboihany ny faharatsiany; An-keriny sy fandravana no re ao aminy; Eo anatrehako mandrakariva ny faharariana sy ny faharatrana. 8 Minoa anatra hianao, ry Jerosalema, Fandrao miombotra miala aminao ny fanahiko, Ary fandrao hataoko tany lao hianao, Dia tany tsy honenana. 9 Izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro: Hotsimponina fatratra toy ny fitsimpona voaloboka izay sisa amin'ny Isiraely; Avereno ho amin'ny sakeliny[Na: harona.] ny tānanao Toy ny mpioty voaloboka. 10 Iza no hilazako sy hanariko mba handrenesany? Indro, ny sofiny dia tsy voafora, Ka tsy mahahaino izy; He! tsatsoiny ny tenin'i Jehovah Ka tsy ankamaminy. 11 Fa ny fahatezeran'i Jehovah mahafeno ahy Ka tsy zakako tsindriana intsony! Aidino amin'ny ankizy madinika eny an-dālambe Sy amin'ny fiokoan'ny zatovo izany; Fa na lehilahy na vehivavy dia hosamborina avokoa, Ary ny anti-panahy mbamin'ny ela niainana koa; 12 Ary ho lasan'ny sasany ny tranony Mbamin'ny sahany sy ny vehivavy koa Fa hahinjitro amin'ny mponina amin'ny tany ny tānako, hoy Jehovah, 13 Satria izy rehetra, na ny kely na ny lehibe, Dia samy fatra-pila harena avokoa; Na ny mpaminany na ny mpisorona Dia samy mamitaka avokoa. 14 Fa nataotaony foana ny fanasitranany ny faharatran'ny oloko zanakavavy Tamin'ny nanaovany hoe: Fiadanana, fiadanana; Kanjo tsy misy fiadanana tsinona! 15 Nomenarina izy noho ny nanaovany fahavetavetana, -- Nefa tsy mba menatra akory izy ary tsy mba valahara; Koa ho lavo ao amin'izay lavo izy, -- Amin'ny andro hamaliako azy dia ho tafintohina izy, hoy Jehovah. 16 Izao no lazain'i Jehovah: Mijanōna eo an-dālana hianareo, ka izahao, Ary anontanio izay lālana masaka hatry ny ela. Dia izay lālana mankany amin'ny tsara, Ka iny no izory, Dia hahita fitsaharana ho an'ny fanahinareo hianareo; Nefa hoy izy: Tsy hizotra izahay. 17 Ary nasiako mpitily hianareo hanao hoe: Henoy ny feon'ny anjomara! Nefa hoy hianareo:[Heb. izy.] Tsy hihaino izahay. 18 Koa henoinareo, ry jentilisa, Ary aoka ho fantatrareo, ry fiangonana, ny hanjo azy. 19 Henoy, ry tany! Indro, Izaho hahatonga loza amin'ity firenena ity, Dia vokatry ny heviny ihany; Fa tsy nihaino ny teniko izy, Ary nolaviny ny lalāko. 20 Nahoana no itondrana ditin-kazo mani-pofona avy any Sheba Aho Sy veromanitra avy any amin'ny tany lavitra? Tsy sitrako ny fanatitra doranareo, Ary tsy mamiko ny zavatra vonoinareo hatao fanatitra. 21 Koa izao no lazain'i Jehovah: Indro, hasiako fahatafintohinana eo amin'ity firenena ity, Ka dia samy ho tafintohina amin'izany ny ray mbamin'ny zanany; Ho faty ny olona mbamin'ny namany. 22 Izao no lazain'i Jehovah: Indro, misy firenena avy any amin'ny tany avaratra, Dia firenena lehibe mitsangana avy any amin'ny faran'ny tany; 23 Tsipėka sy lefona no entiny, Lozabe sady tsy mamindra fo izy; Ny feony dia mirohondrohona toy ny ranomasina, Sady mitaingin-tsoavaly izy Ary voaomana tahaka ny lehilahy ho amin'ny ady, Hamelezana anao, ry Ziona zanakavavy. 24 Efa renay ny lazany, Ka miraviravy tānana izahay; Fahoriana no mahazo anay, Eny, fanaintainana tahaka ny vehivavy raha miteraka. 25 Aza mivoaka ho any an-tsaha, Ary aza mandeha ho amin'ny lālambe; Fa manan-tsabatra ny fahavalo, Misy fampangorohoroana manodidina. 26 Ry oloko zanakavavy,misikėna lamba fisaonana hianao, ary mihosena lavenona, Ka manaova fisaonana toy ny fisaonana zanakalahy tokana,dia fitomaniana fatratra; Fa ho avy tampoka amintsika ny mpandringana. 27 Ho mpizaha toetra ao amin'ny oloko no nanendreko anao, dia ho fiarovana mafy, Mba ho fantatrao sy hizahanao toetra ny alehany. 28 Tena maditra avokoa izy rehetra Ka mandehandeha manaratsy, Varahina sy vy izy; Samy mpanao ratsy avokoa izy rehetra. 29 May ny tafoforana, Levon'ny afo ny firaka, Foana ny nandrendrehan'ny mpandrendrika, Fa tsy voaisotra ny ratsy. 30 Ataon'ny olona hoe "Volafotsy tsy lany" izy, Satria tsy lanin'i Jehovah.