1 Izao no tany tonga tamin'i Jeremia avy tamin'i Jehovah: 2 Mitsangāna eo am-bavahadin'ny tranon'i Jehovah, ary torio eo izao teny izao, ka ataovy hoe: Mihainoa ny tenin'i Jehovah hianareo, ry Joda rehetra, izay miditra amin'ireto vavahady ireto mba hiankohoka eo anatrehan'i Jehovah. 3 Izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro, Andriamanitry ny Isiraely: Ataovy tsara ny lālanareo sy ny ataonareo, Dia hamponeniko amin'ity tany ity hianareo. 4 Aza matoky ny teny lainga hoe: Tempolin'i Jehovah, tempolin'i Jehovah, Tempolin'i Jehovah ity. 5 Fa raha ataonareo tsara mihitsy ny lālanareo sy ny ataonareo, Ka mitsara marina ny adin'olona amin'ny namany hianareo, 6 Ary tsy mampahory ny vahiny sy ny kamboty sy ny mpitondratena, Na mandatsaka ra marina amin'ity tany ity, Sady tsy manaraka andriamani-kafa hahatonga loza aminareo, -- 7 Dia hamponeniko amin'ity tany ity ihany hianareo, Dia eto amin'ny tany nomeko ny razanareo, Hatramin'ny ela ka ho mandrakizay. 8 He! hianareo matoky ny teny lainga, Nefa tsy mahasoa tsinona izany. 9 Hay! hangalatra sy hamono olona sy hijangajanga va hianareo Ary hianian-tsy to sy handoro ditin-kazo manitra ho an'i Bala Sady hanaraka andriamani-kafa izay tsy fantatrareo? 10 Nefa mbola avy miseho eto anatrehako Amin'ity trano izay efa niantsoana ny anarako ity ihany hianareo Ka manao hoe: Efa voavonjy izahay -- mba hanaovana ireto fahavetavetana rehetra ireto! 11 Moa ataonareo ho zohy fieren'ny jiolahy va Ity trano izay efa niantsoana ny anarako ity? Indro, ny tenako aza dia mahita izany, hoy Jehovah. 12 Fa mandehana hianareo any amin'ny fitoerako izay tao Silo, Dia ilay nasiako ny anarako tany am-boalohany, Ka jereo izay nataoko taminy Noho ny haratsian'ny Isiraely oloko. 13 Koa ankehitriny, hoy Jehovah, satria nanao izany zavatra rehetra izany hianareo, Ary niteny taminareo Aho, eny, nifoha maraina koa ka niteny taminareo, nefa tsy nohenoinareo, Ary niantso anareo Aho, nefa tsy novalianareo, -- 14 Koa dia ho toy ny nataoko tamin'i Silo No hataoko amin'ny trano izay efa niantsoana ny anarako sady efa itokianareo, Sy amin'ny fitoerana izay nomeko anareo sy ny razanareo; 15 Ary hesoriko hiala eto anatrehako hianareo Toy ny nanesorako ny rahalahinareo rehetra, Dia ny taranak'i Efraima rehetra. 16 Koa aza mivavaka ho an'ity firenena ity hianao, Ary aza manandratra fitarainana sy fivavahana ho azy Na mifona amiko; Fa tsy hihaino anao Aho. 17 Tsy hitanao va ny ataon'ireo any an-tanānan'ny Joda Sy any an-dālamben'i Jerosalema? 18 Ny zaza manangon-kitay, Ny ray mandrehitra afo, Ary ny vehivavy mametafeta ny koba hatao mofo ho an'ny mpanjakavavin'ny lanitra Sy hanidinana fanatitra aidina ho an'ny andriamani-kafa Mba hampahasosotra Ahy. 19 Moa Izaho va no ampahasosorin'ireo, hoy Jehovah, Fa tsy ny tenany ihany mba ho fangaihainy? 20 Koa izao no lazain'i Jehovah Tompo: Indro, ny fahatezerako sy ny fahavinirako haidina amin'ity tany ity, Dia amin'ny olona sy ny biby fiompy Sy ny hazo any an-tsaha Ary ny vokatry ny tany; Dia hirehitra izany ka tsy hovonoina. 21 Izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro, Andriamanitry ny Isiraely: Aoka ny fanatitra dorana ho naman'ny fanatitrareo hafa alatsa-dra, ka mihināna hena. 22 Fa tsy ny amin'ny fanatitra dorana sy ny fanatitra hafa No nitenenako tamin'ny razanareo na nandidiako azy Tamin'ny andro nitondrako azy nivoaka avy tany amin'ny tany Egypta; 23 Fa izao kosa no nandidiako azy: Henoy ny feoko Dia ho Andriamanitrareo Aho, Ary hianareo ho oloko Ka handeha amin'ny lālana rehetra nandidiako anareo, Mba hahitanareo soa. 24 Kanjo tsy nihaino izy na nanongilana ny sofiny, Fa nandeha tamin'ny fisainany sy ny ditry ny fo ratsiny ihany izy Dia niamboho, fa tsy mba nanatrika. 25 Hatramin'ny andro nivoahan'ny razanareo avy tany amin'ny tany Egypta ka ambaraka andro-any Dia nirahiko ho any aminareo ihany ny mpaminany mpanompoko rehetra, Eny, nifoha maraina koa isan-andro Aho ka naniraka azy mandrakariva. 26 Nefa tsy nihaino Ahy izy ireo Sady tsy nanongilana ny sofiny, Fa nanamafy ny hatony Ka nanao ratsy mihoatra noho ny razany aza. 27 Ary na dia holazainao aminy aza ireo teny rehetra ireo, Dia tsy hihaino anao izy; Ary na dia antsoinao aza izy, Dia tsy hamaly anao. 28 Koa lazao aminy hoe: Ity no firenena tsy mihaino ny feon'i Jehovah Andriamaniny Sady tsy mino anatra; Very ny fahamarinana, Fa afaka tamin'ny vavany. 29 Hetezo ny volonao, ry Jerosalema, ka ario, Ary manaova hira fahalahelovana avy an-tendrombohitra mangadihady, Satria lavin'i Jehovah sy afoiny ny taranaka mahatezitra Azy. 30 Fa manao izay ratsy eo imasoko ny taranak'i Joda, hoy Jehovah, Mametraka ny fahavetavetany ao amin'ny trano izay efa niantsoana ny anarako izy Mba handoto azy. 31 Ary izy nanorina ireo fitoerana avo any Tofeta, Izay ao amin'ny lohasahan'ny taranak'i Hinoma, Handoroany ny zanani-lahy sy ny zanani-vavy amin'ny afo; Nefa zavatra tsy mba nandidiako Na tao an-tsaiko akory aza izany. 32 Koa, indro, avy ny andro, hoy Jehovah, Izay tsy hanaovana azy intsony hoe Tofeta, Na lohasahan'ny taranak'i Hinoma, Fa lohasaha Famonoana kosa; Ary any Tofeta aza no handevenana noho ny hateren'ny tany. 33 Ary ny fatin'ity firenena ity dia ho fihinan'ny voro-manidina sy ny bibi-dia, Ka tsy hisy hanaitaitra azy. 34 Dia hatsahatro any an-tanānan'ny Joda sy eny an-dālamben'i Jerosalema Ny feo mifaly sy ny feo miravoravo, Dia ny feon'ny mpampakatra sy ny feon'ny ampakarina; Fa ho lao ny tany.