1 Izao no nolazain'i Jehovah tamiko: Andeha mividy fehin-kibo rongony ho anao, ka ifehezo ny kibonao, fa aza atao anaty rano. 2 Dia nividy fehin-kibo aho araka ny tenin'i Jehovah ka nifehezako ny kiboko. 3 Ary tonga tamiko fanindroany ny tenin'i Jehovah hoe: 4 Ento ny fehin-kibo izay novidinao, dia ilay ifehezanao ny kibonao, ka mitsangāna, mankanesa any Eofrata, ary afeno ao an-tsefatsefaky ny harambato izy. 5 Ka dia nandeha aho, ary nafeniko tao amoron'i Eofrata izy, araka ny nandidian'i Jehovah ahy. 6 Ary nony afaka andro maro, dia hoy Jehovah tamiko: Mitsangāna, ka mankanesa any Eofrata, ary alao ny fehin-kibo, dia ilay nasaiko nafeninao tany. 7 Dia nankany Eofrata aho ka nihady, ary nalaiko teo amin'ny fitoerana nanafenako ary ilay fehin-kibo; kanjo, indro, simba ny fehin-kibo ka tsy azo natao na inona na inona intsony. 8 Dia tonga tamiko ny tenin'i Jehovah hoe: 9 Izao no lazain'i Jehovah: Tahaka izany no hanimbako ny avonavon'ny Joda Sy ny haben'ny avonavon'i Jerosalema. 10 Ity firenena ratsy ity, izay tsy mety mihaino ny teniko, Fa mandefa amin'ny ditry ny fony Ka manaraka andriamani-kafa Mba hotompoiny sy hiankohofany, Dia ho tahaka ity fehin-kibo ity, izay tsy azo atao na inona na inona intsony. 11 Fa toy ny firaikitry ny fehin-kibo amin'ny valahan'ny olona No nampiraiketako ny taranak'Isiraely sy ny taranak'i Joda tamiko, hoy Jehovah, Mba ho olona sy anarana Sy fiderana ary voninahitra ho Ahy ireny Kanjo tsy nety nihaino izy. 12 Ary izao teny izao dia lazao aminy hoe: Izao no lazain'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely: Ny tavoara rehetra dia feno divay; ary izy hanao aminao hoe: Moa tsy efa fantatray ihany va fa feno divay ny tavoara rehetra? 13 Dia holazainao aminy hoe: Izao no lazain'i Jehovah: Indro, hataoko leony[Heb. feno.] ny mponina rehetra amin'ity tany ity, Dia ny mpanjaka, izay mipetraka amin'ny seza fiandrianan'i Davida, Sy ny mpisorona sy ny mpaminany Ary ny mponina rehetra any Jerosalema. 14 Ary hampifamohiko izy, Dia ny ray mbamin'ny zanany, hoy Jehovah; Tsy hiantra Aho, na hitsitsy, na hamindra fo tsy handringana azy. 15 Mandrenesa ka mihainoa, Aza miavonavona; Fa Jehovah no miteny. 16 Manomeza voninahitra an'i Jehovah Andriamanitrareo, Dieny tsy mbola mahatonga ny maizina Izy, Ary dieny tsy mbola tafintohina amin'ny tendrombohitra maizimaizina ny tongotrareo, Ka raha miandry ny mazava hianareo, Dia hataony tonga ho aloky ny fahafatesana, Ka hampodiny ho aizim-pito. 17 Fa raha tsy hihaino izany hianareo, Dia hitomany any amin'ny mangingina ny fanahiko, satria misy fiavonavonana; Eny, ny masoko hamarin-dranomaso hijononoka be, Satria voababo ny ondrin'i Jehovah. 18 Lazao amin'ny andriamanjaka sy ny reniny hoe: Mitombena amin'ny tany; Fa ho afaka ny firavaka eo an-dohanareo, Dia ny satroboninahitrareo tsara tarehy. 19 Voarindrina ny tanāna any amin'ny tany atsimo, Ka tsy misy mamoha; Lasan-ko babo Joda, Eny, lasan-ko babo avokoa izy rehetra. 20 Atopazy ny masonareo, Ka tazano izay avy any avaratra; Aiza ny ondry andiany izay nomena anao, Dia ny ondrinao tsara tarehy? 21 Ahoana re no holazainao, raha tendreny hanapaka anao ireny sakaizanao ireny, Fa hianao ihany no nampianatra azy handrafy anao? Tsy hahazo anao va ny fanaintainana toy ny vehivavy raha miteraka? 22 Ary raha manao anakampo hianao hoe Ahoana no nahatonga izao tamiko? Noho ny haben'ny helokao no nampiaingana ny morontongotr'akanjonao Sy nandratrana ny ombelahin-tongotrao. 23 Moa mahova ny hodiny va ny Etiopiana, Ary ny leoparda[ Anaram-biby masiaka sady misoratsoratra. ] va mahova ny sorany? Raha izany, dia mahazo manao tsara koa Hianareo izay efa zatra nanao ratsy. 24 Koa dia haeliko izy Toy ny vodivary indaosin'ny rivotra avy any an-efitra. 25 Izany no lokanao, Dia anjara voarefy ho anao, hoy Jehovah, Satria nanadino Ahy hianao Ka nitoky tamin'ny lainga. 26 Ary Izaho kosa dia hampiainga ny morontongotr'akanjonao ho eny amin'ny tavanao, Mba hisehoan'ny henatrao. 27 Ny fijangajanganao sy ny fanenonao,[ Izahao v. 8. ] Ny fahavetavetan'ny fijejojejoanao any amin'ny havoana any an-tsaha, -- Eny, samy efa hitako avokoa ireo fahavetavetana ireo. Lozanao, ry Jerosalema! Mandra-pahoviana no mbola tsy hetezanao hanadio ny tenanao?