1 Ary tonga tamiko ny tenin'i Jehovah hoe: 2 Aza manam-bady hianao, Ary aoka tsy hanan-janakalahy na zanakavavy amin'ity tany ity. 3 Fa izao no lazain'i Jehovah ny amin'ny zanakalahy sy ny zanakavavy izay teraka amin'ity tany ity Sy ny amin'ny reniny izay niteraka azy Ary ny amin'ny rainy izay niteraka azy amin'ity tany ity koa: 4 Ho fatin'ny loza samy hafa izy, Nefa tsy hisaonana na halevina, Fa ho zezika eny ambonin'ny tany; Ary ho lanin-tsabatra sy mosary izy, Ka ho fihinan'ny voro-manidina sy ny bibi-dia ny fatiny. 5 Fa izao no lazain'i Jehovah: Aza miditra amin'ny trano misy fisaonana, Ary aza misaona na mitsapa alahelo azy; Fa efa nesoriko tsy ho amin'ity firenena ity ny fiadanako, hoy Jehovah, Dia ny famindrampo sy ny fiantrana. 6 Ho faty na ny lehibe na ny kely amin'ity tany ity; Samy tsy halevina na hisaonana izy, Na hitetehan'ny sasany tena, na hiboriany; 7 Ary tsy hisy hamahan-kanina azy amin'ny fisaonany, Mba hampionona azy amin'ny maty; Ary tsy hisy hampisotro azy amin'ny kapoaka fampiononana, Raha maty ny rainy na ny reniny; 8 Ary aza miditra ao amin'ny trano misy fanasana koa hianao, Hiara-mitoetra aminy hihinana sy hisotro. 9 Fa izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro, Andriamanitry ny Isiraely: Indro, hatsahatro amin'ity tany ity Eo imasonareo sy amin'ny andronareo Ny feo mifaly sy ny feo miravoravo, Dia ny feon'ny mpampakatra sy ny feon'ny ampakarina. 10 Ary raha ambaranao amin'ity firenena ity izany teny rehetra izany, ka hoy izy aminao: Nahoana Jehovah no nilaza izany loza mafy rehetra izany hamelezana anay? Fa inona no helokay, ary inona no fahotanay, izay nanotanay tamin'i Jehovah Andriamanitray? 11 dia lazao aminy hoe: Noho ny nahafoizan'ny razanareo Ahy, hoy Jehovah, Sy ny nanarahany andriamani-kafa Sy ny nanompoany azy sy ny niankohofany teo anatrehany Ary ny nahafoizany Ahy sy ny tsy nitandremany ny lalàko. 12 Ary ny tenanareo koa nanao ratsy mihoatra noho ny razanareo; Fa he! hianareo samy mandeha araka ny ditry ny fo ratsinareo avokoa Ka tsy mihaino Ahy; 13 Ka dia horoahiko hiala amin'ity tany ity hianareo Ho any amin'ny tany tsy fantatrareo na ny razanareo; Any no hanompoanareo andriamani-kafa andro aman-alina, Satria tsy hamindra fo aminareo Aho. 14 Koa, indro, avy any andro, hoy Jehovah, izay tsy hanaovana intsony hoe: Raha velona koa Jehovah, Izay nitondra ny Zanak'Isiraely niakatra avy tany amin'ny tany Egypta; 15 Fa izao kosa: Raha velona koa Jehovah, Izay nitondra ny Zanak'Isiraely niakatra avy tany amin'ny tany avaratra Sy avy tany amin'ny tany rehetra izay nandroahana azy; Fa hampodiko ho amin'ny tany izay nomeko ny razany izy. 16 Indro, Izaho haniraka mpamovo maro, hoy Jehovah, Izay hamovo azy; Ary rehefa afaka izany, dia haniraka mpihaza maro Aho, Izay hihaza azy Any amin'ny tendrombohitra sy ny havoana rehetra Ary any an-tsefatsefaky ny harambato. 17 Fa ny masoko dia mijery ny alehany rehetra, Ka tsy miafina amin'ny tavako izany, Ary tsy takona amin'ny masoko ny helony. 18 Alohan'izany anefa dia hovaliako avy sasaka ny helony sy ny fahotany Noho ny nandotoany ny taniko, Dia ny namenoany ny lovako tamin'ny fatin'ireo sampiny[Heb. fahavetavetany.] sy fahavetavetany ireo. 19 Jehovah ô, ry heriko sy fiarovana mafy ho ahy Ary fandosirako amin'ny andro fahoriana ô! Ho tonga aminao ny jentilisa avy any amin'ny faran'ny tany Ka hanao hoe: Eny, tokoa lainga no nolovan'ny razanay, Dia zava-poana sady tsy mahasoa. 20 Moa mahay manao andriamanitra ho azy va ny olona? Tsy Andriamanitra ireny. 21 Koa, indro, hampahafantariko azy amin'izao indray mandeha izao, Eny, hampahafantariko azy ny tànako sy ny heriko, Ka dia ho fantany fa Jehovah no anarako.