1 Amin'izany andro izany, hoy Jehovah, Dia ho Andriamanitry ny isam-pianakavian'ny Isiraely Aho, Ary izy ho oloko. 2 Izao no lazain'i Jehovah: Hahita[Na: Nahita.] fitia any an-efitra ny olona izay sisa tsy matin'ny sabatra; Handeha Aho ka hanome[Na: Nandeha Aho ka nanome.] fitsaharana ho an'ny Isiraely. 3 Tany lavitra any[Na: tamin'ny fahiny.] no nisehoan'i Jehovah tamiko ka nanao hoe: Fitiavana mandrakizay no nitiavako anao, Koa izany no nampaharetako famindrampo ho anao. 4 Mbola hanorina anao indray Aho, ka dia hiorina hianao, ry Isiraely virjina! Ary mbola hiravaka mitondra ny ampongatapakao hianaoKa hivoaka amin'ny dihin'ny mifaly. 5 Mbola hanao tanim-boaloboka ao amin'ny tendrombohitr'i Samaria hianao; Ny mpamboly dia hamboly sady hihinana ny vokatra. 6 Fa mbola hisy andro hiantsoan'ny mpitazana any amin'ny tany havoan'i Efraima hoe: Mitsangāna hianareo, ka andeha isika hiakatra any Ziona, Ho any amin'i Jehovah Andriamanitsika. 7 Fa izao no lazain'i Jehovah: Mihobia amin'ny fifaliana noho ny amin'i Jakoba, Ary mifalia noho ny amin'ny lohan'ny firenena, Torionareo, deraonareo, ka ataovy hoe: Jehovah ô, vonjeo ny olonao, dia ny sisa amin'ny Isiraely. 8 Indro, hitondra azy avy any amin'ny tany avaratra Aho Sy hanangona azy avy any amin'ny faran'ny tany, Ka dia samy ho eny aminy avokoa na ny jamba na ny mandringa, Na izay manan-anaka na izay mihetsi-jaza; Irai-dia marenina no hiverina aty. 9 Amin'ny fitomaniana no hihaviany, Ary amin'ny fifonany ny hitondrako azy; Ary ho entiko ho eny amoron'ny renirano izy, Amin'ny lālana mahitsy izay tsy hahatafintohina azy; Fa Rain'Isiraely Aho, Ary Efraima no lahimatoako. 10 Mihainoa ny tenin'i Jehovah, hianareo jentilisa, Ary torio any amin'ny tany amoron-tsiraka any lavitra any izany, Ka ataovy hoe: Izay nampiely ny Isiraely no hanangona azy indray Sady hitandrina azy toy ny fitandrin'ny mpiandry ondry ny ondriny. 11 Fa Jehovah efa nanavotra an'i Jakoba Sy efa nanafaka azy tamin'ny tānan'ny mahery noho izy. 12 Ka dia ho avy ireny ka hihoby ao amin'ny havoan'i Ziona, Dia hitanjozotra ho any amin'ny zava-tsoan'i Jehovah, Dia ny vary sy ny ranom-boaloboka sy ny diloilo sy ny zanak'ondry ary ny zanak'omby; Ary ny fanahiny ho toy ny tanimboly vonton-drano, Ka tsy hihamalazo intsony. 13 Ary amin'izany dia ho faly amin'ny fandihizana ny virjina Mbamin'ny zatovo sy ny antitra koa; Fa hampodiako ho fifaliana ny fitomaniany, Ka hampiononiko sy hampifaliko izy ho afaka alahelo. 14 Dia hovokisako zava-matavy ny fanahin'ny mpisorona, Ary ny oloko ho voky ny zava-tsoako, hoy Jehovah. 15 Izao no lazain'i Jehovah: Nisy feo re tao Rama, Dia fidradradradrana sy fitomaniana fatratra; Rahely nitomany ny zanany, Ary tsy azo nampiononina izy noho ny amin'ny zanany, Satria lany ritra ireny. 16 Izao no lazain'i Jehovah: Atsaharo ny fitomanianao sy ny fandatsahanao ranomaso; Fa hisy valiny tokoa ny ataonao, hoy Jehovah, Ary hody avy any amin'ny tanin'ny fahavalo ireny. 17 Ary misy fanantenana ho anao any am-parany, hoy Jehovah; Fa ny zaza dia hiverina ho any amin'ny taniny indray. 18 Efa reko tokoa Efraima nitomany ny tenany hoe: Nofaizanao aho, Eny, nofaizana toy ny ombilahy kely tsy voalofaka; Avereno aho, dia ho tafaverina, Fa Hianao no Jehovah Andriamanitro. 19 Nony efa niverina tokoa aho, dia vao nahalala fanenenana; Ary rehefa nampahafantarina ny toe-tenako aho, dia niteha-tratra;[Heb. niteha-pe.] Menatra sady mangaihay aho, Fa latsain'ny tsinin'ny fahatanorako. 20 Zanako mahafinaritra va Efraima, Zaza malalako va izy, No dia fatra-pahatsiaro azy isaky ny mitezitra Aho? Noho izany dia onena azy ny foko;[Heb. maneno ny tsinaiko; izahao Isa. xvi. 11.] Hamindra fo aminy tokoa Aho, hoy Jehovah. 21 Manangāna famantaran-dālana ho anao hianao, Manorena tsangam-bato; Saino tsara ny lālana efa voavoatra, Dia ilay lālana efa nalehanao; Miverena indray, ry Isiraely virjina, Miverena indray ho amin'ireto tanānanao ireto. 22 Mandra-pahoviana no hirioriovanao, Ry zanakavavy mpiodina? Fa Jehovah efa namorona zava-baovao amin'ny tany: Vehivavy no hanodidina lehilahy. 23 Izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro, Andriamanitry ny Isiraely: Mbola holazaina indray ao amin'ny tanin'ny Joda sy ao amin'ny tanānany izao teny izao, Raha hampodiako avy amin'ny fahababoana izy: Hotahin'i Jehovah anie hianao, ry fonenan'ny fahamarinana,Sy ry tendrombohitry ny fahamasinana! 24 Ary ny Joda sy ny tanānany rehetra dia hiara-monina ao aminy Ho mpiasa tany sy ho mpilasy mitondra ny andian-ondry aman-osiny. 25 Fa ny fanahy ana dia hampisotroiko, Ary ny fanahy mihaosa rehetra dia hovokisako. 26 Ary tamin'izany dia nahatsiaro aho ka nahita; Ary mamiko ny torimasoko. 27 Indro, avy ny andro, hoy Jehovah, Ka hafafiko eo amin'ny taranak'Isiraely sy ny taranak'i Joda Ny taranak'olombelona sy ny taranaky ny biby fiompy. 28 Ary toy ny niambenako azy hongotana sy hazera Sy harodana sy horavana ary hampahorina, Dia ho toy izany no hiambenako azy Haorina sy hambolena kosa, hoy Jehovah. 29 Amin'izany andro izany izy dia tsy hanao intsony hoe: Ny ray no nihinana voaloboka maharikivy, Ka ny nifin'ny zanany no madilo. 30 Fa ny olona rehetra samy ho fatin'ny helony avy; Izay rehetra homana ny voaloboka maharikivy, Dia izy ihany no hadilo nify. 31 Indro, avy ny andro, hoy Jehovah, Izay hanaovako fanekena vaovao amin'ny taranak'Isiraely sy ny taranak'i Joda, 32 Nefa tsy araka ny fanekena nataoko tamin'ny razany Tamin'ny andro nitantanako azy nitondra azy nivoaka avy tany amin'ny tany Egypta; Fa izy ireny dia nivadika ny fanekeko, Nefa Izaho no vadiny,[Na: tompony.] hoy Jehovah. 33 Fa izao no fanekena hataoko amin'ny taranak'Isiraely. Rehefa afaka izany andro izany, hoy Jehovah: Dia hataoko ao an-tsainy ny lalāko Sady hosoratako ao am-pony; Ary Izaho ho Andriamaniny, ary izy ho oloko. 34 Ary samy tsy hampianatra ny namany sy ny rahalahiny avy intsony izy hoe: Mahalalā an'i Jehovah; Fa samy hahalala Ahy avokoa izy rehetra. Hatramin'ny kely indrindra ka hatramin'ny lehibe indrindra, hoy Jehovah; Fa havelako ny helony, Ary tsy hotsarovako intsony ny fahotany. 35 Izao no lazain'i Jehovah, Izay manome ny masoandro ho fanazavana amin'ny antoandro Ary ny filahatry ny volana sy ny kintana ho fahazavana amin'ny alina, Izay nampanonja ny ranomasina, ka dia mirohondrohona ny onjany, -- Jehovah, Tompon'ny maro, no anarany: 36 Raha miova eo anoloako izany filahatra izany, hoy Jehovah, Dia hitsahatra tsy ho firenena eo anatrehako mandrakizay kosa ny taranak'Isiraely. 37 Izao no lazain'i Jehovah: Raha misy maharefy ny lanitra ambony, Na mahafantatra ny fanorenan'ny tany ambany, Dia Izaho kosa hanary ny taranak'Isiraely rehetra Noho izay rehetra nataony, hoy Jehovah. 38 Indro, avy ny andro, hoy Jehovah, Izay hanorenana ity tanāna ity indray ho an'i Jehovah Hatramin'ny tilikambon'i Hananela ka hatramin'ny vavahady an-jorony. 39 Ary ny famolaina dia mbola hohenjaniko mahitsy hatreo an-tampon'ny tendrombohitra Gareba, Dia hasangodina ho any Goa; 40 Ary ny lohasaham-paty sy lavenona rehetra Sy ny saha rehetra hatramin'ny Lohasahan-driaka Kidrona Ka hatramin'ny zoron'ny vavahadin-tsoavaly atsinanana Dia ho masina ho an'i Jehovah; Tsy hongotana na arovana intsony izy mandrakizay.