1 Izao no teny tonga tamin'i Jeremia avy tamin'i Jehovah tamin'ny andron'i Joiakima, zanak'i Josia, mpanjakan'ny Joda, nanao hoe: 2 Mankanesa any amin'ny taranak'i Rekaba, ary mitenena aminy, dia ampidiro ao an-tranon'i Jehovah, ao amin'ny efi-trano anankiray, izy, ka omeo divay hosotroiny. 3 Dia nalaiko Jazania, zanak'i Jeremia, zanak'i Habazinia, sy ny rahalahiny sy ny zanany rehetra mbamin'ny taranak'i Rekaba rehetra, 4 ka nampidiriko ho ao amin'ny tranon'i Jehovah izy, dia tao amin'ny efi-tranon'ny taranak'i Hanana, zanak'i Jigdalia, lehilahin'Andriamanitra, izay ao anilan'ny efi-tranon'ny mpanapaka, ao ambonin'ny efi-tranon'i Mahaseia, zanak'i Saloma, mpiandry varavarana. 5 Ary norosoako kapoaka sy siny feno divay teo anoloan'ny taranak'i Rekaba ka nolazaiko taminy hoe: Misotroa divay hianareo. 6 Fa hoy kosa ireo: Tsy hisotro divay izahay; fa Jonadaba, zanak'i Rekaba, razanay, efa nanafatra anay hoe: Aza mba misotro divay hianareo na ny taranakareo mandrakizay; 7 ary aza manao trano hianareo, na mamafy voan-javatra, na manao tanim-boaloboka, na mety hanana izany akory; fa lay no itoeronareo amin'ny andronareo rehetra, mba ho ela velona hianareo amin'ny tany izay ivahinianareo. 8 Dia nankatoavinay izany tenin'i Jonadaba, zanak'i Rekaba, razanay izany, tamin'izay rehetra nanafarany anay, mba tsy hisotro divay amin'ny andronay rehetra, na izahay, na ny vadinay, na ny zanakai-lahy, na ny zanakai-vavy; 9 ary tsy hanao trano hitoeranay, na hanana tanimboly, na saha, na voan-javatra izahay; 10 fa efa nitoetra an-day izahay araka izay rehetra nanafaran'i Jonadaba razanay anay. 11 Fa raha nananika ny tany Nebokadnezara, mpanjakan'i Babylona, dia hoy izahay: Andeha isika hankany Jerosalema handositra ny miaramilan'ny Kaldeana sy ny miaramilan'ny Syriana, ka izany no itoeranay eto Jerosalema. 12 Dia tonga tamin'i Jeremia ny tenin'i Jehovah hoe: 13 Izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro, Andriamanitry ny Isiraely: Andeha, lazao amin'ny Joda sy amin'ny mponina any Jerosalema hoe: Tsy hino anatra hitandrina ny teniko va hianareo? hoy Jehovah. 14 To ny tenin'i Jonadaba, zanak'i Rekaba, izay nanafarany ny zanany tsy hisotro divay, fa tsy misotro tokoa izy mandraka andro-any, fa mahatana ny hafa-drazany; ary Izaho efa niteny taminareo, -- eny, nifoha maraina koa Aho ka niteny, nefa tsy nihaino hianareo. 15 Nirahiko taminareo koa ny mpaminany mpanompoko rehetra, -- eny, nifoha maraina koa Aho ka naniraka azy hanao hoe: Samia miala amin'ny lālanareo ratsy hianareo ankehitriny, ary ataovy tsara ny ataonareo ary aza manaraka andriamani-kafa hanompo azy, dia honina amin'ny tany izay nomeko anareo sy ny razanareo hianareo nefa tsy nanongilana ny sofinareo na nihaino Ahy hianareo. 16 Eny, nankatoavin'ny zanak'i Jonadaba, zanak'i Rekaba, ny hafa-drazany, izay nanafarany azy; fa ity firenena ity kosa tsy mba nihaino Ahy. 17 Koa izao no lazain'i Jehovah, Andriamanitry ny maro, Andriamanitry ny Isiraely: Indro, hataoko mihatra amin'ny Joda sy amin'ny mponina rehetra any Jerosalema ny loza rehetra izay nolazaiko hatao aminy, satria efa niteny taminy Aho, fa tsy nihaino izy, ary niantso azy Aho, fa tsy namaly izy. 18 Ary ny taranak'i Rekaba dia nilazan'i Jeremia hoe: Izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro, Andriamanitry ny Isiraely: Noho ny nahatananareo ny hafatr'i Jonadaba razanareo sy ny nitandremanareo ny hafany rehetra ary ny nanaovanareo araka izay rehetra nanafarany anareo, 19 dia izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro, Andriamanitry ny Isiraely: Jonadaba, zanak'i Rekaba, tsy ho diso zanakalahy hitsangana eo anatrehako mandrakizay.