1 Ny tenin'i Jehovah izay tonga tamin'i Jeremia mpaminany ny amin'ny Filistina, fony Farao tsy mbola namely an'i Gaza. 2 Izao no lazain'i Jehovah: Indro, misy rano mizotra avy any avaratra Ka ho tonga ony maria Manafotra ny tany mbamin'izay rehetra ao aminy, Dia ny tanāna mbamin'izay monina ao aminy; Ka dia hitaraina ny olona, Ary hidradradradra ny mponina rehetra amin'ny tany. 3 Noho ny fikatrokatroky ny kitron'ny soavaliny matanjaka Sy ny fikorondorondon'ny kalesiny Ary ny fikotrokotroky ny kodiany Ny ray dia tsy miherika ny zanany, fa miraviravy tānana, 4 Noho ny hihavian'ny andro handravana ny Filistina rehetra Sy handringanana izay sisa rehetra amin'ny mpamonjy an'i Tyro sy Sidona; Fa horavan'i Jehovah ny Filistina, Dia ny sisa avy any amin'ny nosy Kaftora. 5 Voaharatra Gaza, Ringana[Na: Mangina.] Askelona mbamin'ny sisa amin'ny lohasahany; Mandra-pahoviana no mbola hitetika ny tenanao hianao? 6 Indrisy, ry sabatr'i Jehovah! Mandra-pahoviana no tsy hitsaharanao? Midira ao amin'ny tranonao ihany; Mitsahara, ka mijanōna. 7 Hataony[Heb. Hataonao.] ahoana no fitsahatra. Fa Jehovah no nandidy azy, Eny, hamely an'i Askelona mbamin'ny eny amoron-dranomasina No efa nanendreny azy.