1 Ary tonga tamiko ny tenin'i Jehovah nanao hoe: 2 Ry zanak'olona, inona no ihoaran'ny tahom-boaloboka noho ny hazo rehetra, dia ny sakeli-boaloboka izay isan'ny hazo any an'ala? 3 Moa mba fangalan-kazo hatao zavatra akory va izy, na mba fangalana fihantonan-javatra? 4 Indro, hatsipy any anaty afo hataina izy; ny laniny roa ho levon'ny afo, ary ny tenatenany ho may. Ka moa azo atao zavatra akory va izy? 5 Indro, fony izy tsy mbola nahafahana aza, dia tsy azo natao zavatra, koa mainka fa rehefa levon'ny afo sy may izy? 6 Koa izao no lazain'i Jehovah Tompo: Toy ny tahom-boaloboka amin'ny hazo any an'ala, izay natolotro hataina, dia toy izany no hanolorako ny mponina any Jerosalema. 7 Ary hanandrina azy ny tavako; hiala avy amin'ny afo izy nefa ho levon'ny afo hafa indray; ka dia ho fantatrareo fa Izaho no Jehovah, raha manandrina azy ny tavako. 8 Ary hataoko lao ny tany noho ny nivadihany tamiko, hoy Jehovah Tompo.