1 Ary tonga tamiko ny tenin'i Jehovah nanao hoe: 2 Ry zanak'olona, manandrifia ny tendrombohitra Seīra, ka maminania ny hamelezana azy, 3 dia ataovy aminy hoe: Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Indro, avy hamely anao Aho, ry tendrombohitra Seīra, ary hahinjitro aminao ny tanako, ka hataoko foana sy lao ianao. 4 Ny tanānanao hataoko korontam-bato, ary ianao ho lao; Ka dia ho fantatrao fa Izaho no Jehovah. 5 Noho ny fandrafianao hatry ny fony ela sy ny nanoloranao ny zanak'Isiraely ho fatin*'ny sabatra, fony tamin'ny andro nahitany loza, dia ny fotoan'ny heloka mahafaty,[Heb. ho eo an-tānan'] 6 Dia izao no lazain'i Jehovah: Raha velona koa Aho, dia hataoko manjary rā ianao, ary rā no hanenjika anao; Satria tsy nankahalainao ny rā, dia rā kosa no hanenjika anao. 7 Hataoko foana sy lao ny tendrombohitra Seīra, sady hataoko tsy misy intsony ny mandroso sy ny miverina, 8 Ary hofenoiko ny olony voavono ny tendrombohiny; Eny, ao amin'ny havoananao sy ny lohasahanao Ary amoron'ny lohasahan-driakanao rehetra no hiampatramparan'izay voatrabaky ny sabatra. 9 Hataoko rava mandrakizay ianao, ary tsy honenana intsony ny tanānanao; Ka dia ho fantatrareo fa Izaho no Jehovah. 10 Ary noho ny nanaovanao hoe: Ireto firenena roa ireto sy ireto tany roa ireto dia ho ahy avokoa, Ka hanana azy izahay kanefa teo ihany Jehovah 11 Dia izao no lazain'i Jehovah: Raha velona koa Aho, dia hanao araka ny fahatezeranao sy ny fialonanao Aho, izay nataonao noho ny fandrafianao azy; Ary hampahafantariko ao aminy ny tenako amin'ny hitsarako anao. 12 Ka dia ho fantatrao fa Izaho Jehovah no efa nandre ny fanaratsiana, izay nolazainao ny amin'ireny tendrombohitry ny Isiraely hoe: Foana ireny ka nomena anay ho fivelomanay. 13 Ary nanao teny miavonavona namely Ahy ianareo sy nanamaro ny teninareo namely Aha; efa reko izany. 14 Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Rehefa mifaly ny tany rehetra, dia hofoanako kosa ianao, 15 Toy ny nifalianao ny amin'ny lovan'ny taranak'Isirady, satria nofoanana ireny, dia toy izany kosa no hataoko aminao: Ho foana ianao, ry tendrombohitra Seīra sy Edoma rehetra; Ka dia ho fantatra fa Izaho no Jehovah.