1 Ataovy eo am-bavanao* ny anjomara! Fa hisy toy ny voromahery hipaoka ny tranon'i Jehovah, satria efa nivadika ny fanekeko sy nandika ny lalāko ireo.[Heb. lanilaninao] 2 Izaho dia hitarainany hoe: Andriamanitro ô, izahay Isiraely mahalala Anao. 3 Ataon'ny Isiraely ho zavatra maharikoriko ny soa; Ny fahavalo no hanenjika azy. 4 Ireny dia nanangana mpanjaka nefa tsy avy tamiko; Nifidy mpanapaka izy, nefa tsy fantatro; Ny volafotsiny sy ny volamenany no nataony sampiny mba hamongorana azy. 5 Maharikoriko* ilay ombilahy kelinao, ry Samaria; Mirehitra aminareo** ny fahatezerako; Mandra-pahoviana no tsy ho tohanareo*** ny fahadiovana?[*Na: Ataony ho zava-maharikoriko][**Heb. aminy][***Heb. tohany] 6 Fa avy tamin'ny Isiraely koa izany; Ny mpiasa no nanao azy, ka dia tsy Andriamanitra izy, fa ho torotoro ilay ombilahy kelin'i Samaria. 7 Fa rivotra no nafafiny, ary tadio no hojinjany; Tsy misy vary mitsangana, ny salohiny tsy hisy ventiny; Ary raha tāhiny hisy aza, dia ny olona hafa firenena no hihinana azy. 8 Voatelina Isiraely; Ankehitriny dia efa tonga tahaka ny fanaka tsy mahafinaritra izy any amin'ny jentilisa. 9 Fa niakatra ho any Asyria izy Toy ny borikidia mandeha irery; Efraima dia nanangy ireo lehilahiny* [Heb. fitiavany] 10 Ary na dia nanangy tany amin'ny jentilisa aza izy, dia hovoriko ankehitriny; Ary hihavitsy izy noho ny entan'ny mpanjakan'ireo mpanapaka. 11 Fa Efraima nanao alitara maro hanotana, eny, efa nahazo alitara hanotana izy. 12 Na dia soratako ho azy ny teny betsaka amin'ny lalāko aza, dia ataony ho toy ny zavatra tsy izy izany. 13 Mamono zavatra hatao fanatitra ho Ahy izy, eny, mihinana ny henan'izany, nefa tsy sitrak'i Jehovah izany; Ankehitriny dia hotsarovany ny fahotany, ary hovaliany ny helony; Eny, izy ireny dia hiverina ho any Egypta. 14 Efa nanadino ny Mpanao azy Isiraely ka nanorina trano vaventy, ary Joda nanamaro tanāna mimanda; Fa haterako afo ao an-tanānany, ka holevonin'izany ny trano vaventiny.