1 Ary rehefa afaka izany, dia handatsaka ny Fanahiko amin'ny nofo rehetra Aho; Dia haminany ny zanakalahinareo sy ny zanakavavinareo, Ny lahi-antitrareo hanonofy, Ary ny zatovonareo hahita fahitana; 2 Ary na dia ny mpanompolahy sy ny mpanompovavy aza Dia handatsahako ny Fanahiko amin'izany andro izany. 3 Ary hanisy fahagagana eny amin'ny lanitra sy ety amin'ny tany Aho, Dia ra sy afo ary setroka mitankosina. 4 Ny masoandro hampodina ho aizina, ary ny volana ho ra, Alohan'ny hahatongavan'ny andron'i Jehovah, izay sady lehibe no mahatsiravina. 5 Ary na zovy na zovy no hiantso ny anaran'i Jehovah dia ho afa-mandositra; Fa ao an-tendrombohitra Ziona sy any Jerosalema dia hisy sisa afaka, Araka izay efa voalazan'i Jehovah, Ary izay antsoin'i Jehovah dia ho isan'izay afa-mandositra.