1 Ny fahitan'i Obadia. Izao no lazain'i Jehovah Tompo ny amin'i Edoma: -- Nahare filazana avy tamin'i Jehovah izahay, Ary nisy iraka nalefa ho any amin'ny jentilisa hanao hoe: Mitsangāna, aoka isika hitsangana hanafika azy! -- 2 Indro, hataoko tsinontsinona eo amin'ny firenena hianao, Eny, ho fanimbazimbana indrindra hianao. 3 Ny avonavon'ny fonao no namitaka anao, Ry ilay monina ao an-tsefatsefaky ny harambato, Any amin'ny fonenana avo, Sady manao anankampo hoe: Iza no hampivarina ahy ho eny an-tany? 4 Na dia miakatra tahaka ny voromahery aza hianao Ka mametraka ny akaninao eny amin'ny kintana, Dia havariko avy eny hianao, hoy Jehovah. 5 Raha tāhiny misy mpangalatra, na jiolahy alina, tonga ao aminao -- (Indrisy, fongotra hianao!) -- Moa tsy izay hahafa-po azy ihany va no hangalariny? Raha tāhiny misy mpioty voaloboka tonga ao aminao, Moa tsy hamela voaloboka sisa hotsimponina va izy? 6 Endrey ny fitady ny an'i Esao! Endrey ny fikatsaka ny hareny miafina! 7 Ny olona rehetra izay vita fanekena taminao no nampandeha anao hatramin'ny sisin-tany; Izay tsara fihavanana aminao no namitaka ka naharesy anao; Izay mihinana ny haninao no namela-pandrika ao ambaninao -- Tsy misy fahalalana ao aminy! 8 Moa tsy amin'izany andro izany va, hoy Jehovah, no hamongorako ny olon-kendry ao Edoma, Sy ny manan-tsaina ao an-tendrombohitr'i Esao? 9 Ary ho raiki-tahotra ny lehilahy maherinao, ry Temana, Mba haringana amin'ny vonoana ho foana ny any an-tendrombohitr'i Esao. 10 Noho ny fampahoriana an'i Jakoba rahalahinao dia ho voasaron-kenatra hianao Ka ho fongotra mandrakizay. 11 Tamin'ilay andro namitsahanao [Heb. nijanonanao.] teny am-pita, Tamin'ny andro namaboan'ny vahiny ny fananany, Sy nidiran'ny hafa firenena teo amin'ny vavahadiny, Ary nanaovany loka an'i Jerosalema, Dia mba toy ny anankiray tamin'ireny koa hianao. 12 Aza finaritra mijery ny andron'ny rahalahinao amin'ny andro ahitany loza izay tsy misy toa izany; Ary aza mifaly ny amin'ny taranak'i Joda amin'ny andro andringanana azy; Aza manao teny miavonavona amin'ny andro fahoriana. 13 Aza miditra amin'ny vavahadin'ny oloko amin'ny andro ahitany loza; Aza finaritra mijery ny fahantrany amin'ny andro ahitany loza hianao, Ary aza maninji-tānana haka ny fananany amin'ny andro ahitany loza. 14 Aza mamitsaka [Heb. mijanona.] eo amin'ny sampanan-dālana hamono izay afa-nandositra hianao; Ary aza manolotra izay sisa aminy amin'ny andro fahoriana. 15 Fa efa antomotra amin'ny jentilisa rehetra ny andron'i Jehovah; Toy ny nataonao no mba hatao aminao kosa; Eny hitsingerina ho eo an-dohanao ny nataonao. 16 Fa toy ny nisotroanareo teo an-tendrombohitro masina, Dia toy izany koa no hisotroan'ny firenena rehetra mandrakariva, Eny hisotro izy ka hitelina, Ary ho toy ny tsy ary izy. 17 Fa ao an-tendrombohitra Ziona dia hisy izay sisa afaka, Ary ho masina izy; Ary ny taranak'i Jakoba hahalasa ny fananany. 18 Ary ny taranak'i Jakoba ho afo, Ary ny taranak'i Josefa ho lelafo, Fa ny taranak'i Esao kosa ho vodivary, Ary harehitr'ireny izy ka holevoniny; Ary tsy hisy sisa afaka ny taranak'i Esao, Fa Jehovah no efa niteny. 19 Ny any amin'ny tany atsimo no hahalasa ny tendrombohitr'i Esao; Ary ny any amin'ny tany lemaka amoron-tsiraka[Heb. Sefela.] no hahalasa ny Filistina; Hahalasa ny tanin'ny Efraima sy ny tany Samaria izy; Ary Benjamina hahalasa an'i Gileada. 20 Ary ny babo amin'izao Zanak'Isiraely maro be izao hahalasa ny Kananita hatrany Zarefata, Ary ny babo[Na: marobe izao, izay any amin' ny Kananita hatrany Zarefata, sy ny babo, sns.] tany Jerosalema, izay any Sefarada, dia hahalasa ny tanāna any amin'ny tany atsimo. 21 Ary hisy mpamonjy miakatra ho ao an-tendrombohitra Ziona Hitsara ny tendrombohitr'i Esao; Ary ho an'i Jehovah ny fanjakana.