1 Ary hoy izaho : Masina hianareo, mihainoa, ry loholon'i Jakoba, Sy hianareo mpanapaka ny taranak'Isiraely : Tsy anjara-raharahanareo va ny hahalala ny rariny? 2 Dia hianareo izay mankahala ny tsara ka tia ny ratsy, izay manendaka ny hoditry ny olona Sy ny nofony amin'ny taolany, 3 Eny, hianareo izay homana ny nofon'ny oloko koa Sady manendaka ny hodiny Ary mamakivaky ny taolany; Eny, mitetika azy toy ny hatao am-bilany izy, Ary toy ny hena ao anatin'ny fahandroan-kena. 4 Amin'izany dia hitaraina amin'i Jehovah izy, Nefa tsy hohenoiny; Hanafina ny tavany aminy amin'izany andro izany Izy Araka ny faharatsian'ny nataon'ireo. 5 lzao no lazain'i Jehovah ny amin'ny mpaminany izay mampaniasia ny oloko, dia ireo izay manaikitra amin'ny nifiny, nefa mitory fiadanana, ary izay tsy manisy hanina eo am-bavany kosa dia iantsoany hanaovana ady masina : 6 Koa izany no hisian'ny alina aminareo ka tsy hisy fahitana, Ary ny maizina aminareo, ka tsy hisy fankatovana; Fa hilentika tsy hanazava ny mpamina ny masoandro, Ary ho maizina aminy ny andro, 7 Dia ho menatra ny mpahita, Ary hangaihay ny mpanao fankatovana; Eny, hitampim-bava avokoa izy rehetra, Satria tsy misy valiny avy amin'Andriamanitra. 8 Fa izaho kosa dia feno hery, dia Fanahin'i Jehovah, Mbamin, ny rariny sy ny faherezana Mba hanambara amin'i Jakoba ny helony Sy amin'Isiraely ny fahotany. 9 Masina hianareo, mihainoa izao, Ry loholon'ny taranak'i Jakoba, Sy ry mpanapaka ny taranak'Isiraely, Dia hianareo, izay manao ny rariny fahavetavetana Sy mamadika ny hitsiny rehetra. 10 Dia izay manangana an'i Ziona amin'ny fandatsahan-dra Sy Jerosalema amin'ny faharatsiana. 11 Ny mpifehiny mitsara hahazoany kolikoly, Ary ny mpisorony mampianatra hahazoany karama, Ary ny mpaminany manao fankatoavana hahazoany vola; Nefa Jehovah mbola iankinany ihany hoe : Tsy ato amintsika va Jehovah? Tsy hisy loza hanjo antsika. 12 Koa dia hasaina toy tanimboly Ziona noho ny nataonareo, Ary Jerosalema ho tonga korontam-bato, Ary ny tendrombohitra misy ny trano dia ho tonga toy ny havoana mifono ala.