1 Lozan'ny tanāna mpandatsa-dra! Feno lainga sy fandozana izy; Tsy lalan-dremby ao aminy. 2 Injany! ny fifiopioky ny karavasy! Ny fikorodondrodon'ny kodia! Ny fikatrokatroky ny soavaly! Ary ny fitraitraiky ny kalesy! 3 He! ny fampiriotry ny mpitaingin-tsoavaly! Akory ny fanelatselatry ny sabatra Sy ny famirapiratry ny lefona! Indrisy ny habetsahan'ny voatrabalea sy ny hamaroan'ny voavono! Tsy hita isa ny faty. Eny, voafingampingan'ny faty ny olzna, 4 Noho ny habiazan'ny fijangajangan'ikala janga tsara tarehy, Tompovavin'ny fankatovana, Izay mivarotra firenena amin'ny fijangajangany Sy fokom-pirenena amin'ny fankatovany. 5 Indro, hamely anao Aho, hoy Jehovah, Tompon'ny maro; Ary haingaiko ho amin'ny tavanao ny moron-tongotr'akanjonao, Ka hasehoko amin'ny firenena ny fitanjahanao Sy amin'ny fanjakana ny fahamenaranao. 6 Dia hotsipazako loto hianao Ka hataoko tsinontsinona, Eny, hataoko fitalanjonana hianao. 7 Ary izay rehetra mijery anao dia handositra anao Ka hanao hoe: Rava Ninive! Iza no hitomany azy? Aiza no hitadiavako izay hampionona anao? 8 Tsara noho No-amona va hianao? Ilay nitoetra teo anelanelan'ny ony Ka nohodidinin'ny rano; Ny rano be no rovany, Ary ny rano be koa no māndany; 9 Ny Etiopiana sy ny Egyptiana no heriny, Sady tsy hita lany ireny; Ny Lydiana sy ny Libyana no mpanampy azy. 10 Nefa na izy aza dia lasa, eny, lasan-kobabo; Ny zanany madinika koa notorotona teny an-joron-dālambe rehetra eny; Ny olo-malazany nanaovany filokana, Ary ny lehibeny rehetra nogadrana. 11 Hianao koa ho mano ka hiafina, Hianao koa hitady fiarovana mafy hierenao ny fahavalonao. 12 Ny mānda mafinao rehetra ho tahaka ny aviavy misy voa mialintaona: Raha hohozongozonina izy, dia hihintsana ao am-bavan'izay hihinana aza. 13 Indro, vehivavy no olonao ao aminao; Hidiran'ny fahavalonao no hidanadanan'ny vavahadin'ny taninao; Levon'ny afo ny hidinao. 14 Manangona rano ho anao ho an'ny fahirano; Hamafio ny māndanao; Mirotsaha amin'ny fotaka, ka hosihoseo ho feta, Amboary ny lafaoro fandoream-biriky. 15 Any no handevonan'ny afo anao Sy handripahan'ny sabatra anao; Hohaniny toy ny fihinan'ny valalavao hianao; Mihamaroa toy ny valalavao, Mihabetsaha toy ny valala. 16 Nataonao betsaka noho ny kinta amin'ny lanitra ny mpandrantonao; Mipariaka ny valalavao ka lasa manidina. 17 Ny andriananao dia toy ny valala, Ary ny mpifehinao dia toy ny valalavao, Izay mitoby eny amin'ny fefy, raha mangatsiaka ny andro; Fa raha miposaka ny masoandro dia lasa manidina izy, Ka tsy fantatra izay nalehany. 18 Rendrehana ny mpiandrinao, ry mpanjakan'i Asyria; Miampatrampatra ny lehilahy maherinao; Aely eny an-tendrombohitra ny olonao. Ka tsy misy mamory azy. 19 Tsy mety mihena ny fangirifirianao, Tsy azo sitranina ny ferinao; Izay rehetra ilazana ny nanjo anao hiteha-tānana anao; Fa iza no tsy efa tratry ny fandozanao mandrakariva?