1 Tamin'ny andro voalohany tamin'ny volana fahenina tamin'ny taona faharoa nanjakani Dariosa mpanjaka no nahatongavan'ny tenin'i Jehovah nentin'i Hagay mpaminany tamin'i Zerobabela, zanak'i Sealtiela, governora tany Joda, sy tamin'i Josoa, zanak'i Jozadaka, mpisoronabe, nanao hoe: 2 Izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro: Ity firenena ity manao hoe: Tsy mbola tonga ny andro tokony hihaviana hanaovana ny tranon'i Jehovah. 3 Dia tonga ny tenin'i Jehovah nentin'i Hagay mpaminany nanao hoe: 4 Moa andro tokony hitoeran'ny tenanareo ao amin'ny tranonareo misy valin-drihana va izao, kanefa rava ity trano ity? 5 Koa izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro: Hevero ny lālanareo. 6 Efa namafy be hianareo, nefa kely ny taomina: mihinana hianareo, nefa tsy voky; misotro hianareo, nefa tsy afa-po; mitafy hianareo, nefa tsy misy mafana; ary izay mahazo karama dia mahazo karama hatao an-kitapo loaka. 7 Izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro: Hevero ny lālanareo. 8 Miakara any an-tendrombohitra [amin'ny tany havoana], ka makā hazo, ary ataovy ny trano, dia hankasitrahako izany, sady hankalazaina Aho, hoy Jehovah. 9 Nanampo be hianareo, kanjo indro, kely monja; ary nony notaominareo, dia notsofiko. Nahoana? hoy Jehovah, Tompon'ny maro. Satria efa rava ny tranoko, nefa hianareo samy mihazakazaka hanao ny tranonareo avy. 10 Ary noho izany dia ny aminareo no nitsaharan'ny lanitra tsy hampilatsaka ando sy nitsaharan'ny tany tsy hahavokatra. 11 Ary niantso ny fahamainana Aho hamely ny tany sy ny tendrombohitra sy ny vary sy ny ranom-boaloboka sy ny diloilo sy izay vokatry ny tany ary ny olona sy ny biby fiompy mbamin'izay rehetra efa nisasaran'ny tānana. 12 Ary Zerobabela, zanak'i Sealtiela, sy Josoa, zanak'i Jozadaka, mpisoronabe, mbamin'ny sisa rehetra amin'ny vahoaka dia nihaino ny feon'i Jehovah Andriamaniny sy ny tenin'i Hagay mpaminany, araka ny efa nanirahan'i Jehovah Andriamaniny azy, ary natahotra teo anatrehan'i Jehovah ny olona. 13 Ary nambaran'i Hagay, irak'i jehovah, ny teny nampitondrain'i Jehovah ho amin'ny olona nanao hoe: Izaho no momba anareo, hoy Jehovah. 14 Dia notairin'i Jehovah ny fanahin'i Zerobabela, zanak'i Sealtiela, governora any Joda, sy ny fanahin'i Josoa, zanak'i Jozadaka, mpisoronabe, sy ny fanahin'ny sisa rehetra amin'ny vahoaka; ary dia avy izy ka nandrafitra ny tranon'i Jehovah, Tompon'ny maro, Andriamaniny, 15 tamin'ny andro fahefatra amby roa-polo tamin'ny volana fahenina tamin'ny taona faharoa nanjakan'i Dariosa.