1 Ary ankehitriny, ry mpisorona, dia ho aminareo izao didy izao: 2 Raha tsy hihaino na handatsaka am-po ka hanome voninahitra ny anarako hianareo, hoy Jehovah, Tompon'ny maro, dia halefako hamely anareo ny ozona, ka hozoniko ny tso-drano ataonareo; eny, efa voaozoko sahady izany, satria tsy nandatsaka am-po hianareo. 3 Indro, hasiako teny mafy ny voa afafinareo, ary hofafazako tain-droroha ny tavanareo, dia tain-droroha avy amin'ny andro firavoravoanareo; ary hailika miaraka aminy hianareo. 4 Dia ho fantatrareo fa nampitondra izany didy izany ho aminareo Aho, mba haharetan'ny fanekeko amin'i Levy,[Na: mba ho fanekeko amin'i Levy izany.] hoy Jehovah, Tompon'ny maro. 5 Ny fanekeko taminy dia fiainana sy fiadanana; ary nomeko azy ho fahatahorana izany, ka dia natahotra Ahy sy nangovitra teo anatrehan'ny anarako izy. 6 Ny lalān'ny fahamarinana no teo am-bavany, ary tsy mba nisy tsi-fahamarinana teo amin'ny molony; tamin'ny fiadanana sy ny fahitsiana no niarahany nandeha tamiko, ary maro no nampialainy tamin'ny heloka. 7 Fa ny molotry ny mpisorona tokony hitahiry fahalalana, ary ny lalāna hotadiavina eo am-bavany, satria irak'i Jehovah, Tompon'ny maro izy. 8 Fa hianareo kosa dia efa nivily lālana sady nampahatafintohina olona maro ny amin'ny lalāna ary namadika ny fanekena amin'i Levy, hoy Jehovah; Tompon'ny maro. 9 Ary Izaho kosa dia efa nanolotra anareo ho fanazimbazimba sy ho fanao tsinontsinona eo anatrehan'ny vahoaka rehetra, noho ny tsy nitandremanareo ny lālako sy ny nizahanareo tavan'olona ny amin'ny lalāna. 10 Tsy mpiombon-dray va isika rehetra? Tsy Andriamanitra iray ihany va no nahary antsika? Koa nahoana no samy mivadika amin'ny rahalahintsika avy isika ka mamadika ny fanekena tamin'ny razantsika? 11 Ny Joda efa namitaka, ary misy fahavetavetana atao ao amin'ny Isiraely sy eto Jerosalema; fa ny Joda efa nandoto ny fitoera-masin'i Jehovah, izay tiany, sady efa nanambady ny zanakavavin'ny andriamani-kafa. 12 Enga anie ka hofongoran'i Jehovah hiala amin'ny lain'i Jakoba ny lehilahy izay manao izany, na iza na iza,[Heb. na ny mpiambina, na ny mpamaly.] sy izay manatitra fanatitra ho an'i Jehovah, Tompon'ny maro. 13 Ary faharoan'izany, dia izao koa no ataonareo: Saronanareo ranomaso sy fitomaniana ary fisentoana ny alitaran'i Jehovah, ka tsy mba jereny intsony ny fanatitra, ary tsy handray fankasitrahana avy amin'ny tānanareo izy. 14 Nefa hoy hianareo: Nahoana? satria Jehovah no vavolombelona ny aminao sy ny vadin'ny fahatanoranao izay nofitahinao, na dia namanao sady vady efa vita fanekena taminao aza izy. 15 Moa tsy nisy anankiray nanao izany va, nefa mbola nanam-panahy ihany? Fa inona andrefa no notadiavin'ilay anankiray? Taranaka araka an'Andriamanitra.[Na: Moa tsy iray va no nataony? Nefa nanana fanahy sisa ihany Izy. Ary nahoana no iray? Nitady taranaka araka an'Andriamanitra Izy.] Koa dia tandremo ny fanahinareo ary aoka tsy hisy hamitaka ny vadin'ny fahatanorany. 16 Fa halako ny fisaoram-bady, hoy Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, sy ny fanosenana fampahoriana amin'ny fitafiany, hoy Jehovah, Tompon'ny maro; koa tandremo ny fanahinareo, ary aza mamitaka hianareo. 17 Efa manasatra an'i Jehovah amin'ny teninareo hianareo. Nefa hoy hianareo: Amin'inona moa no anasaranay Azy? Amin'ny fanaovanareo hoe: Izay rehetra manao ratsy dia tsara eo imason'i Jehovah ka ankasitrahany, na amin'ny hoe: Aiza Andriamanitry ny fitsarana?