1 Ary Josoa, zanak'i Nona, dia naniraka mpisafo roa lahy mangingina avy tany Sitima ka niteny taminy hoe: Mandehana, izahao ny tany, indrindra fa Jeriko. Dia niainga izy roa lahy ary niditra tao an-tranon'ny vehivavy janga anankiray atao hoe Rahaba, ka nandry tao. 2 Ary nisy nilaza tamin'ny mpanjakan'i Jeriko hoe: Injao, misy olona avy tamin'ny Zanak'Isiraely tonga aty izao alina izao hisafo ny tany. 3 Dia naniraka tao amin'i Rahaba ny mpanjakan'i Jeriko ka nanao hoe: Avoahy ireo lehilahy tonga ato an-tranonao ireo; fa hisafo ny tany no nihaviany. 4 Dia nalain-dravehivavy izy roa lahy ka nafeniny, ary hoy izy: Tonga taty amiko ihany tokoa ireny lehilahy ireny, nefa tsy fantatro izay nihaviany; 5 ary rehefa maizina ny andro, ka hohidiana ny vavahady, dia lasa nivoaka izy, ka tsy fantatro indray izay nalehany; enjeho faingana izy, fa ho tratranareo. 6 Kanjo efa nampiakarin-dravehivavy any an-tampon-trano izy ka nafeniny ao amin'ny tahon-drongony, izay efa nalahany teo amin'ny tampon-trano. 7 Ary ireo olona dia nanenjika azy tamin'ny lālana mankany Jordana hatrany amin'ny fitana; ary rehefa lasa nivoaka izay nanenjika azy, dia nohidiana ny vavahady. 8 Ary raha mbola tsy natory izy roa lahy, dia niakatra nankao aminy tao an-tampon-trano ravehivavy 9 ka nanao hoe: Fantatro fa efa nomen'i Jehovah anareo ny tany, ary efa latsaka aminay ny fahatahorana anareo, sady efa ketraka ny mponina rehetra amin'ny tany noho ny tahotra anareo. 10 Fa efa renay ny nanamainan'i Jehovah ny Ranomasina Mena teo anoloanareo tamin'ny nivoahanareo avy tany Egypta, sy izay nataonareo tamin'ny mpanjaka roa tamin'ny Amorita, izay tany an-dafin'i Jordana, dia Sihona sy Oga, izay novonoinareo. 11 Koa nony efa renay izany, dia ketraka ny fonay, ka very hevitra avokoa izahay noho ny aminareo; fa Jehovah Andriamanitrareo, Izy no Andriamanitra amin'ny lanitra ambony sy ety amin'ny tany ambany. 12 Koa ankehitriny, masėna hianareo, mba ianiano amin'i Jehovah aho fa araka ny namindrako fo taminareo no mba hamindranareo fo amin'ny ankohonan'ny raiko kosa, ka omeo famantarana mahatoky aho 13 fa hovelominareo ny raiko sy ny reniko sy ny anadahiko sy ny rahavaviko ary izay rehetra mety ho azy; dia hamonjy ny ainay tsy ho faty hianareo. 14 Dia hoy izy roa lahy taminy: Ny ainay no ho faty hisolo anareo, raha tsy holazainareo izao raharahanay izao; ary raha omen'i Jehovah anay ny tany, dia hamindra fo sy hanao izay marina aminao izahay. 15 Dia nampidina azy tamin'ny mahazaka avy teo amin'ny varavarankely izy; fa teo amin'ny māndan'ny tanāna ny tranony, ary teo amin'ny mānda no nitoerany. 16 Dia hoy izy taminy: Mandehana any an-tendrombohitra, fandrao mifanena aminareo ny mpanenjika, ka miere any hateloana mandra-piveriny; ary rehefa afaka izany, dia vao mandehana any amin'izay halehanareo. 17 Ary hoy izy roa lahy taminy: Izao no tsy hanananay tsiny ny amin'izany fianianana nampianianinao anay izany: 18 Indro, rehefa tonga eto amin'ny tany izahay, dia hafehinao eo amin'ny varavarankely izay nampidinanao anay io kofehy jaky io; ary ny rainao sy ny reninao sy ny anadahinao mbamin'ny ankohonan'ny rainao rehetra dia hovorinao ho ao an-tranonao; 19 ary izay rehetra mivoaka eo am-baravaran'ny tranonao ho eny ivelany, dia ho eo an-dohany ihany ny rany, ary izahay tsy hanan-tsiny; fa izay rehetra mitoetra ao aminao ao an-trano, dia ho eo an-dohanay kosa ny rany, raha tahėny misy olona maninona azy akory; 20 fa raha tahėny hambarambaranao izao raharahanay izao, dia ho afaka amin'ny fianianana izay nampianianinao anay izahay. 21 Dia hoy ravehivavy: Eny ary, fa marina izany. Dia nampandehaniny izy roa lahy, ka lasa izy; ary nafehiny teo amin'ny varavarankeliny ilay kofehy jaky. 22 Dia nandeha izy roa lahy ka nankany an-tendrombohitra ary nitoetra tany hateloana mandra-piverin'ny mpanenjika; ary nitady azy tamin'ny lālana rehetra ny mpanenjika, nefa tsy nahita. 23 Dia niverina izy roa lahy ka nidina avy tany an-tendrombohitra; dia nita ny ony ary nankany amin'i Josoa, zanak'i Nona, ka nilaza ny zavatra rehetra izay efa nihatra taminy, 24 ka hoy izy tamin'i Josoa: Efa natolotr'i Jehovah eo an-tānantsika tokoa ny tany rehetra; ary efa ketraka ny mponina rehetra amin'ny tany noho ny tahotra antsika.