1 Ary ny* taranak'i Asafa sy Hemana ary Jedotona dia natokan'i Davida sy ireo komandin'ny miaramila ho amin'ny fanompoana mba haminany amin'ny lokanga sy ny valiha ary ny kipantsona; ary izao no isan'ny mpanao araka ny fanompoany avy:[Na: ny asany amin'ny] 2 Tamin'ny zanakalahin'i Asafa dia Zakora sy Josefa sy Netania ary Asarela, zanak'i Asafa, nofehezin'i Asafa, izay naminany araka izay nifehezan'ny mpanjaka azy. 3 Tamin'i Jedotona, ny zanany dia Gedalia sy Zery sy Jesaia sy Hasabia ary Matitia, enin-dahy ireo ka nofehezin'i Jedotona rainy, izay naminany tamin'ny lokanga hidera sy hisaotra an'i Jehovah. 4 Tamin'i Hemana, ny zanany dia Bokia, Matania, Oziela, Seboela sy Jerimota, Hanania, Hanany, Eliata, Gidalty sy Romamti-ezera sy Josbekasa sy Maloty sy Hotira ary Mahaziota. 5 Ireo rehetra ireo no zanak'i Hemana, mpahitan'ny mpanjaka ny amin'ny tenin'Andriamanitra, hanandratra ny tandroka. Ary Hemana dia efa nomen'Andriamanitra zazalahy efatra ambin'ny folo sy zazavavy telo. 6 Ireo rehetra ireo no fehin'ny rainy tamin'ny hira natao tao an-tranon'i Jehovah tamin'ny kipantsona sy ny valiha sy ny lokanga hanaovana ny fanompoana ao an-tranon'Andriamanitra; Asafa sy Jedotona ary Hemana dia nofezehin'ny mpanjaka. 7 Ary ny isany mbamin'ny rahalahiny, izay efa nianatra ny hira ho an'i Jehovah izay rehetra nahay dia valo amby valo-polo amby roan-jato. 8 Ary nanao filokana ny amin'ny anjara-raharahany avy izy, na ny kely na ny lehibe, na ny mpampianatra na ny mpianatra. 9 Ary ny loka voalohany dia azon'i Josefa avy amin'ny taranak'i Asafa; ny faharoa an'i Gedalia, izy mbamin'ny rahalahiny sy ny zanany, dia roa ambin'ny folo; 10 ny fahatelo an'i Zakora, izy mbamin'ny zanany sy ny rahalahiny, dia roa ambin'ny folo; 11 ny fahefatra an'i Jizry, izy mbamin'ny zanany sy ny rahalahiny, dia roa ambin'ny folo; 12 ny fahadimy an'i Netania, izy mbamin'ny zanany sy ny rahalahiny, dia roa ambin'ny folo; 13 ny fahenina an'i Bokia, izy mbamin'ny zanany sy ny rahalahiny, dia roa ambin'ny folo; 14 ny fahafito an'i Jesarela, izy mbamin'ny zanany sy ny rahalahiny, dia roa ambin'ny folo; 15 ny fahavalo an'i Jesaia, izy mbamin'ny zanany sy ny rahalahiny, dia roa ambin'ny folo; 16 ny fahasivy an'i Matania, izy mbamin'ny zanany sy ny rahalahiny, dia roa ambin'ny folo; 17 ny fahafolo an'i Simey, izy mbamin'ny zanany sy ny rahalahiny, dia roa ambin'ny folo; 18 ny fahiraika ambin'ny folo an'i Azarela, izy mbamin'ny zanany sy ny rahalahiny, dia roa ambin'ny folo; 19 ny faharoa ambin'ny folo an'i Hasabia, izy mbamin'ny zanany sy ny rahalahiny, dia roa ambin'ny folo; 20 ny fahatelo ambin'ny folo an'i Sobaela, izy mbamin'ny zanany sy ny rahalahiny, dia roa ambin'ny folo; 21 ny fahefatra ambin'ny folo an'i Matitia, izy mbamin'ny zanany sy ny rahalahiny dia roa ambin'ny folo; 22 ny fahadimy ambin'ny folo an'i Jeremota, izy mbamin'ny zanany sy ny rahalahiny dia roa ambin'ny folo; 23 ny fahenina ambin'ny folo an'i Hanania, izy mbamin'ny zanany sy ny rahalahiny, dia roa ambin'ny folo; 24 ny fahafito ambin'ny folo an'i Josbekasa, izy mbamin'ny zanany sy ny rahalahiny, dia roa ambin'ny folo; 25 ny fahavalo ambin'ny folo an'i Hanany, izy mbamin'ny zanany sy ny rahalahiny, dia roa ambin'ny folo; 26 ny fahasivy ambin'ny folo an'i Maloty, izy mbamin'ny zanany sy ny rahalahiny, dia roa ambin'ny folo; 27 ny faharoa-polo an'i Eliata, izy mbamin'ny zanany sy ny rahalahiny, dia roa ambin'ny folo; 28 ny fahiraika amby roa-polo an'i Hotira, izy mbamin'ny zanany sy ny rahalahiny, dia roa ambin'ny folo; 29 ny faharoa amby roa-polo an'i Gidalty, izy mbamin'ny zanany sy ny rahalahiny, dia roa ambin'ny folo; 30 ny fahatelo amby roa-polo an'i Mahaziota, izy mbamin'ny zanany sy ny rahalahiny, dia roa ambin'ny folo; 31 ny fahefatra amby roa-polo an'i Romamti-ezera, izy mbamin'ny zanany sy ny rahalahiny, dia roa ambin'ny folo.