1 Tamin段zany andro izany dia nomen段 Ahasoerosy mpanjaka ho an段 Estera, vadin地y mpanjaka, ny tranon段 Hamana, fahavalon地y Jiosy. Ary Mordekay nankeo anatrehan地y mpanjaka, fa efa voalazan段 Estera fa rainy izy. 2 Ary nesorin地y mpanjaka ny peratra fanombohany, izay efa nalainy tamin段 Hamana, ka nomeny an段 Mordekay. Ary Mordekay dia notendren段 Estera hanapaka ny tranon段 Hamana. 3 Dia niteny teo anatrehan地y mpanjaka indray Estera sady niankohoka tamin地y tongony ka nitomany sy nifona taminy mba hahafoana ny ratsy nataon段 Hamana Agagita sy ny hevitra nataony hamelezany ny Jiosy. 4 Ary ny mpanjaka nanondro an段 Estera tamin地y tehim-bolamena. Dia nitsangana Estera ka nijanona teo anatrehan地y mpanjaka 5 Ary nanao hoe: Raha sitraky ny mpanjaka, Ary mahita fitia eto imasony aho, sady ataon地y mpanjaka ho mety izany, ka mahita sitraka eto imasony aho, dia aoka hisy soratra hanova ireny taratasy voahevitr段 Hamana, zanak段 Hamedota Agagita, ireny, izay nosoratany hampandringana ny Jiosy amin地y isan-tokony eran地y fanjakan地y mpanjaka; 6 fa hataoko ahoana no fijery ny loza hanjo ny fireneko ? Ary ataoko ahoana no fijery ny fandringanana ny havako ? 7 Dia hoy Ahasoerosy mpanjaka tamin段 Estera, vadin地y mpanjaka, sy tamin段 Mordekay Jiosy: Indro, ny tranon段 Hamana efa nomeko an段 Estera, Ary izy dia efa nahantona tamin地y hazo, satria naninjitra ny t瀟any hamely ny Jiosy; 8 Ary hianareo kosa dia manorata amin地y anaran地y mpanjaka araka izay sitrakareo hamonjy ny Jiosy, ka tombohy amin地y peratra fanombohan地y mpanjaka izany; fa tsy misy mahavadika ny soratra izay efa voasoratra tamin地y anaran地y mpanjaka sy efa voatomboka tamin地y peratra fanombohan地y mpanjaka. 9 Dia nantsoina tamin段zay ny mpanoratry ny mpanjaka, tamin地y andro fahatelo amby roa-polo tamin地y volana fahatelo (volana Sivana izany); Ary nosoratana araka izay rehetra nandidian段 Mordekay izany ho any amin地y Jiosy sy ny solo-mpanjaka sy governora Ary ny mpanapaka amin地y isan-tokony hatrany India ka hatrany Etiopia, dia fito amby roa-polo amby zato toko, ny isan-tokony araka ny sorany avy, Ary ny isam-pireneny araka ny fiteniny avy, Ary ny Jiosy araka ny sorany sy araka ny fiteniny. 10 Ary nanoratra taratasy tamin地y anaran段 Ahasoerosy manjaka izy ka notombohiny tamin地y peratra fanombohan地y mpanjaka, Ary ny taratasy dia nampitondrainy ny tsimandoa mitaingin-toavaly sy soavaly haingam-pandeha Ary ampondra, zanaky ny soavalivavy; 11 ka ny Jiosy izay teny amin地y isan-tan瀟a dia navelan地y mpanjaka hivory hiaro ny ainy Ary handringana sy hamono ka handripaka ny herin地y firenena sy ny tany rehetra izay te-hiady aminy, mbamin地y vady aman-janak段reny Ary handroba ny fananany 12 amin地y andro iray ihany any amin地y isan-tokony eran地y fanjakan段 Ahasoerosy mpanjaka, dia amin地y andro fahatelo ambin地y folo amin地y volana faharoa ambin地y folo (volana Adara izany). 13 Ny kopen地y teny natao didy ho amin地y isan-tokony eran地y fanjakana dia nantsoina tamin地y olona rehetra mba hampiomana ny Jiosy ho amin段zany andro izany hamaliany ny fahavalony. 14 Dia lasa ny tsimandoa izay nitaingina soavaly haingam-pandeha sy ampondra, ka hohafainganina sy nododonan地y tenin地y mpanjaka izy. Ary nantsoina tany Sosana renivohitra koa ny lal瀟a. 15 Ary tamin地y nialan段 Mordekay teo anatrehan地y mpanjaka dia niakanjo akanjo fiandrianana manga sy fotsy izy sady nisatroka satroboninahitra volamena lehibe sy niakanjo akanjo lava rongony fotsy madinika sy volomparasy; Ary faly sy ravo ny tan瀟a Sosana. 16 Ny Jiosy dia nahazo fahazavana sy faharavoravoana sy fifaliana Ary voninahitra. 17 Ary teo amin地y isan-tokony eran地y fanjakana sy teny an-tan瀟a rehetra izay nahatongavan地y didin地y mpanjaka sy ny teniny dia nahazo hafaliana sy faharavoravoana ny Jiosy sady nanao fanasana sy andro mahafaly. Ary maro ny olona tompon-tany no tonga Jiosy, satria nahazo azy ny fahatahorana ny Jiosy.