1 DIA namaly Elifaza Temanita ka nanao hoe: 2 Raha misy sahy miteny aminao, dia ho sosotra va hianao? Fa raha ny mamehy vava kosa, iza moa no mahazaka izany? 3 Indro, efa nananatra ny maro hianao, Ary ny tànana miraviravy efa nampaherezinao; 4 Ny teninao efa nanohana izay efa saiky lavo, Ary ny lohalika malemy efa nampahatanjahinao. 5 Nefa ankehitriny mba manjo anao kosa izany, ka dia kivy hianao, Mihatra aminao izany, ka raiki-tahotra hianao. 6 Tsy ny fivavahanao [Heb. fahatahoranao.] va no tokinao? Ary tsy fanantenanao va ny fahitsian'ny làlanao? 7 Maśna hianao, tsarovy fa iza moa no very tsy nanan-tsiny? Ary taiza no nisy olo-mahitsy naringana? 8 Araka izay efa hitako, dia izay miasa heloka Sy mamafy fahoriana no mijinja izany. 9 Ny fofonain'Andriamanitra no andringanana azy, Eny, ny fofonain'ny fahatezerany no mahalevona azy. 10 Ny feon'ny liona, eny, ny feon'ny liona masiaka, Ary ny nifin'ny liona tanora dia ombotana; 11 Mirenireny ny lion-dahy noho ny tsi-fahitany remby, Ary miely ny zanaky ny liom-bavy. 12 Nisy teny tonga tamiko mangingina, Ary ny sofiko nahare siosio avy taminy, 13 Tamin'ny eritreritra avy amin'ny tsindrimandry alina, Raha sondrian-tory ny olona, 14 Dia azon-tahotra sy hovotra aho, Ka nampihorohoro ny taolako rehetra izany. 15 Ary nisy fanahy nandalo teo anatrehako Ka nampitsangam-bolo ny tenako. 16 Nijanona izy, nefa tsy nahafantatra ny tarehiny aho; Nisy endri-javatra teo anoloan'ny masoko; Nisy fanginana, dia nandre feo aho nanao hoe: 17 Ho marina noho [Na: eo anatrehan'.] Andriamanitra va ny zanak'olombelona? Ho madio noho [Na: eo anatrehan'.] ny Mpanao azy va ny olona? 18 Indro, tsy matoky ireo mpanompony aza Izy, Eny, ny anjeliny aza ataony ho tsy tonga ohatra, 19 Koa mainka izay mitoetra ao an-trano tany, Sady avy tamin'ny vovoka no nihaviany, [Heb. ao amin'ny vovoka fiorenany.] Ary mora poritra noho ny kalalao izy; 20 Indray andro monja dia montsana izy; Tsy misy misaina azy, na dia levona mandrakazay aza izy. 21 Tsy voaongotra va ny kofehin-dainy ao aminy? Maty izy, nefa tsy mbola nanam-pahendrena.