1 Efa ho ritra ny aiko; Efa milopilopy ny androko; Efa miandry ahy ny fasana. 2 Eny, fanesoana tokoa no manodidina ahy, Ary tsy maintsy mijery ny filany ady amiko aho. 3 Maśna Hianao, aoka ny tenanao ihany no hiantoka ahy aminao; Fa iza moa no hety hiantoka ahy? 4 Fa ny fon'ireto dia voahidinao tsy hidiran'ny fahalalana; Koa izany no tsy hanandratanao azy. 5 Izay manolotra ny sakaizany ho babo, Dia ho pahina kosa ny mason'ny zanany. 6 Ary efa nanao ahy ho ambentinteny amin'ny firenena Izy, Ka rorany mandrakariva ny tavako. 7 Efa pahina ny masoko noho ny alahelo; Ary efa toy ny aloka ny momba ny tenako rehetra. 8 Ankona noho izany ny olona mahitsy, Ary ny tsy manan-tsiny mihendratra mahita ny mpihatsaravela-tsihy. [Na: ratsy fanahy.] 9 Fa ny marina mifikitra tsara amin'ny halehany, Ary izay madlo tànana no hitombo hery. 10 Avia avokoa indray ary hianareo rehetra Tsy mahita izay olon-kendry eo aminareo aho. 11 Mihelina ny androko, voaongotra ny fikasako. Dia izay hevitra fikirin'ny foko indrindra; 12 Ny alina ataon'ireny ho antoandro, Ary ny mazava ho efa akaiky, nefa tamy ihany ny maizina. 13 Raha mbola misy antenaiko, dia ny fiainan-tsi-hita [Heb. Sheola] fonenako ihany; Ao amin'ny maizina no hamelarako ny fandriako. 14 Ny fasana [Na: Ny fahalovana.] no nantsoiko hoe: Raiko hianao; Ary ny kankana: Reniko sy anabaviko hianao. 15 Fa aiza ary ny fanantenako? Ary iza no mahita azy? 16 Midina any amin'ny vavahadin'ny fiainan-tsi-hita [Heb. Sheola] izany, Raha mba hahita fitsaharana ao amin'ny vovoka aho.