1 DIA namaly Joba ka nanao hoe: 2 Mihainoa dia mihainoa ny teniko, Ary aoka izany no ho fampiononanareo ahy. 3 Mandefera amiko hianareo, fa mba hiteny kosa aho izao; Ary rehefa tapitra ny teniko, dia mandatsalatsā ihany indray hianareo. 4 Raha ny amiko, moa ny ataon'ny olona va no itarainako? Ary raha izany, nahoana no hahalefitra ny fanahiko? 5 Jereo aho, dia aoka ho talanjona hianareo, Ary mitampena vava. 6 Eny, raha mahatsiaro izany aho, dia raiki-tahotra, Sady toran-kovitra ny tenako 7 Nahoana no velona ny ratsy fanahy Ka sady tratrantitra no be hery? 8 Ny zanany koa mitomoetra tsara eo anatrehany, Ary ny zafiny eo anoloany. 9 Ny ankohonany miadana ka tsy manan-tahotra, Ary ny tsorakazon'Andriamanitra tsy mamely azy. 10 Ny ombilahiny mampiteraka ka mahavanona; Ny ombivaviny miteraka ka tsy mamotsotra. 11 Mamoaka ny zanany madinika toy ny ondry aman-osy izy, Ka mikoriana ny zanany. 12 Mihoby mitondra ampongatapaka sy lokanga izy Ary mifaly amin'ny feon-tsodina. 13 Mandany ny androny amin'ny fahafinaretana izy; Amin'ny indray mipė-maso monja no idinany any amin'ny fiainan-tsi-hita. [Heb. Sheola] 14 Kanefa anie ireo no manao amin'Andriamanitra hoe: Mialā aminay! Fa tsy mba irinay ny hahalala ny lālanao. 15 Zinona izay Tsitoha, no hotompoinay? Ary inona no soa ho azonay, raha mivavaka aminy? 16 Indro, tsy avy amin'ny tenany [Heb. tsy eo an-tānany.] ihany ny fahafinaretany!Ho lavitra ahy anie ny fisainan'ny ratsy fanahy! 17 Indraindray foana no mba maty ny jiron'ny ratsy fanahy, Sy tonga ny loza manjo azy. Ary amelaran'Andriamanitra fandrika ireny [Na: izaran'Andriamanitra fahoriana ho an'ireny.] noho ny fahatezerany, 18 Ka tonga tahaka ny mololo voatetika indaosin'ny rivotra izy Sy tahaka ny akofa entin'ny tafio-drivotra. 19 Andriamanitra, hoy hianareo, mbola hampijaly ny zanany noho ny helo-drainy! Tsia; fa ny tenan'ireny ihany no aoka hovaliany, mba hahalalany. 20 Aoka ny masony ihany no hahita ny loza manjo azy, Ary aoka ny tenany ihany no hisotro ny fahatezeran'ny Tsitoha. 21 Fa mampaninona azy moa ny amin'ny taranany mandimby azy, Raha tahaka ny isan'ny androny? 22 Moa Andriamanitra va no hampianarim-pahalalana, Nefa Izy no mitsara ny any an-danitra [Heb. avo.] aza? 23 Maty ny anankiray, raha tsy mbola mihena ny fahatanjahany, Sady miadana tokoa ka tsy manana ahiahy; 24 Feno ronono ny fitoeran-drononony, [Na: Manotraka ny kibony.] Ary vonton-tsoka ny taolany, 25 Ary ny anankiray maty amin'ny fahorian'ny fanahiny kosa Ka tsy mba nanandrana soa akory. 26 Samy mandry ao amin'ny vovoka izy roa tonta, Ka feno olitra ny tenany. 27 Indro, fantatro ny hevitrareo Sy ny saim-petsy amelezanareo ahy; 28 Fa hoy hianareo: Aiza ny tranon'ny mpitohatoha? [Heb. andriandahy.] Ary aiza ny lay fitoeran'ny ratsy fanahy? 29 Kanefa tsy mba nanontany tamin'ny mpandeha amin'ny tany lavitra va hianareo? Ary tsy heverinareo va ny zava-mahagaga, [Heb. famantarana.] ambaran'ireo hoe: 30 Amin'ny andro hahitan-doza dia voaro ihany ny ratsy fanahy, Ary amin'ny andro fahatezerana dia enti-miala izy? 31 Iza no hanambara ny lālany eo anatrehany? Ary raha misy zavatra nataony, iza no sahy hamaly azy? [Na: Azy.] 32 Ary ho entina ho eny an-tany fandevenana izy Ka mbola hitazana [Na: mbola misy miambina.] ao am-pasana; 33 Ho mamy aminy ny bainga any an-dohasaha, Ary ny olona rehetra hanaraka azy, Toy ny nandehanan'ny maro tany alohany. 34 Endrey! ity hianareo mba mampionona ahy foana! Ary ny famalianareo anefa, raha voasana tsara, dia lainga ihany!