1 DIA namaly Joba ka nanao hoe: 2 Mbola atao ho fikomiana [Na: mangidy.] ihany ny fitarainako; Ny tānana mamely ahy dia mitambesatra amin'ny fisentoako. 3 Enga anie ka ho fantatro izay hahitako Azy Ka ho tonga any amin'ny fitoerany aza! 4 Dia handahatra ny teniko eo anatrehany aho. Ka hofenoiko ny teny alahatro ny vavako; 5 Ary hahalala izay teny havaliny ahy aho Sy hamantatra izay holazainy amiko. 6 Hery lehibe va no handaharany teny amiko? Tsia, fa Izy indrindra no hihaino ahy. 7 Fa amin'izany dia olona mazina no ho nifandahatra taminy; Ka dia ho nanan-drariny mihitsy aho tamin'ny Mpitsara ahy. 8 Indro, miantsinanana aho, fa tsy any Izy; Ary miankandrefana aho, fa tsy hitako Izy; 9 Mianavaratra amin'izay iasany aho, fa tsy tazako Izy; Mivily any atsimo Izy, ka tsy hitako. 10 Fa mahalala ny lālana falehako Izy; Raha hizahany toetra aho, dia hivoaka tahaka ny volamena. 11 Ny tongotro nifikitra tamin'ny lālany; Eny, ny lālany no nizorako tsara, ka tsy nivily aho. 12 Ny didin'ny molony tsy mba nialako; Ny tenin'ny vavany noraketiko mihoatra noho ny faniriako. [Na: anjara-haniko.] 13 Nefa tsy miova saina Izy, ka iza no mahasakana Azy? Fa na inona na inona irin'ny fanahiny dia ataony. 14 Eny, manatanteraka izay voatendry ho ahy Izy; Ary zavatra maro toy izany no ao aminy; 15 Koa izany no mampangovitra ahy eo anatrehany; Raha misaintsaina izany aho, dia matahotra Azy. 16 Fa Andriamanitra no mandreraka ny foko, Ary ny Tsitoha no mampangovitra ahy; 17 Fa tsy ny fahamaizinana no maharesy ahy, Na ny maizim-pito izay manarona ny tavako. [Na: Satria tsy nalaina aho, dieny tsy mbola avy ny maizina, Ary tsy nanafina ny maizim-pito amin'ny tavako Izy.]