1 Ary mbola niteny ihany Eliho ka nanao hoe: 2 Mandrenesa ny teniko, hianareo olon-kendry; Ary mihainoa ahy, hianareo manam-pahalalana. 3 Fa ny sofina no mamantatra teny, Ary ny vava [Heb. lanilany.] no manandrana hanina. 4 Koa aoka izay rariny no hodinihintsika, Ary aoka hiara-mamantatra izay tsara isika. 5 Fa Joba efa nanao hoe: Marina aho, Saingy nesorin'Andriamanitra tamiko ny rariny; 6 Marina ny ahy, nefa ampandaingainy aho; Mahafaty ny zana-tsipìka mitsatoka amiko, na dia tsy manam-pahadisoana aza aho. 7 Aiza moa no misy lehilahy tahaka an'i Joba, Izay manarampo amin'ny famingavingana toy ny fisotro rano. 8 Ary tonga naman'ny mpanao ratsy Sady miara-mandeha amin'ny ratsy fanahy? 9 Fa hoy izy: Tsy mahasoa ny olona Ny mihavana amin'Andriamanitra. 10 Koa amin'izany mihainoa ahy, hianareo manam-panahy Lavitra an'Andriamanitra ny hanao ratsy! Ary lavitra ny Tsitoha ny hanao meloka! 11 Fa ny nataon'ny olona ihany no ampanodiaviny azy, Ka mamaly ny olona rehetra araka ny làlany avy Izy. 12 Eny tokoa, Andriamanitra tsy manao ratsy mihitsy, Ary ny Tsitoha tsy mba mamadika ny rariny. 13 Iza moa no nanendry Azy ho Mpiadidy ny tany? Ary iza no nanorina izao tontolo izao? 14 Raha tàhiny ny tenany ihany no heveriny, Ka hangoniny ho ao aminy ny fanahiny sy ny fofonainy, 15 Dia hiala avokoa ny ain'ny nofo rehetra, Ary hiverina amin'ny vovoka ny olona. 16 Raha manam-pahalalana hianao, dia mandrenesa izao, Ka mihainoa ny teniko 17 Moa mahay mifehy va izay tsy tia rariny? Ary Ilay marina sady mahery va no hohelohinao? 18 (Mety va ny miteny amin'ny mpanjaka hoe: Olom-poana hianao! Ary amin'ny zanak'andriana: Ry ilay ratsy!), 19 Dia Ilay tsy mizaha ny tavan'ny lehibe, Ary tsy manaja ny ambony mihoatra noho ny ambany, Satria samy asan'ny tànany avokoa izy rehetra. 20 Maty amin'ny indray mipì-maso monja amin'ny mamatonalina ireny; Eny, ringana ny olona ka tsy ao intsony; Ary ny mahery dia lasa tsy esorin-tànana. 21 Fa ny mason'Andriamanitra dia mijery ny alehan'ny olona, Ary mahita ny diany rehetra Izy. 22 Tsy misy aizina na alim-pito, Izay hieren'ny mpanao ratsy. 23 Fa Andriamanitra tsy mba miandry aloha vao mandinika ny olona Izay tonga hotsaraina eo anatrehany. 24 Manorotoro ny olona mahery Izy, na dia tsy manadina aza, Ka manangana olon-kafa hisolo azy. 25 Koa hita amin'izany fa fantany ny asan'ireo, Ka dia mamono azy amin'ny alina ho torotoro Izy. 26 Tehafiny tànana tahaka ny fanao amin'ny ratsy fanahy ireo [Na: Mamely azy toy ny famely ny ratsy fanahy Izy.] Eo imason'ny vahoaka. 27 Izao no nialan'ireo tamin'Andriamanitra Ka tsy nitandremany ny làlany akory, 28 Dia ny mba hahatonga ny fitarainan'ny malahelo eo anatrehany Ka hampandre Azy ny fitarainan'ny ory. 29 Mangina [Na: Manome fiadanana.] Izy, ka iza no mahay manameloka? Ary manafin-tava Izy (ka iza no mahajery Azy?), Na amin'ny firenena, na amin'ny olona tsirairay, 30 Mba tsy hanjakan'ny ratsy fanahy, Ary tsy ho voafandrika ny vahoaka. 31 Fa moa mba efa nisy niteny tamin'Andriamanitra va nanao hoe: Efa nanandra-tena [Na: nijaly. aho ka tsy hanao ratsy intsony; 32 Izay tsy hitako mba ampianaro ahy; Raha nanao ratsy aho, dia tsy hanao intsony? 33 Moa araka ny hevitrao va no hamaliany ny ataon'ny olona, no efa nandà hianao? Fa hianao no mifidy, fa tsy izaho, [Na: Moa araka ny hevitrao va no hamaliany ny olona? Fa efa nandà hianao, ka dia hianao no tsy maintsy mifidy, fa tsy izaho.] Koa izay fantatrao no ambarao. 34 Ny olona manam-panahy hilaza amiko, Ary ny olon-kendry izay mihaino ahy hanao hoe: 35 Miteny tsy amim-pahalalana Joba, Ary ny teniny tsy amim-pahendrena. 36 Enga anie ka hizahan-toetra mandrakariva Joba Noho ny famaliana ataony araka ny fanaon'ny ratsy fanahy! 37 Fa ampiany fihaikana koa ny fahotany; Miteha-tànana eto amintsika izy Ka manao teny maro ho enti-miady amin'Andriamanitra.