1 ARY teo anatin'ny tafio-drivotra Jehovah dia namaly an'i Joba ka nanao hoe: 2 Iza moa izato manao izay hahamaizina ny fisainana Amin'ny teny tsy misy fahalalana? 3 Misikėna ary tahaka ny lehilahy; Fa hanadina anao Aho, ka valio: 4 Taiza ary hianao, fony Aho nanorina ny tany? Ambarao, raha hainao. 5 Iza ary no nandidy izay ho refiny, raha fantatrao? Ary iza no nanenjana ny famolaina teo aminy? 6 Teo amin'inona no nanorenana ny vodi-andriny, Ary iza no nametraka ny vato fehizorony, 7 Raha niara-nihira ny kintan'ny maraina, Ary nihoby avokoa ireo zanak'Andriamanitra? 8 Ary iza no nanao varavarana misakana ny ranomasina, Raha nibosesika nivoaka avy tany am-bohoka izy, 9 Raha nanao ny rahona ho fitafiany Aho Ary ny aizim-pito ho fonony, 10 Ary nandidy ny ho fetrany Sady nanisy hidy sy varavarana 11 Ka nanao hoe: Hatreto no azonao androsoana ka tsy hihoatra, Ary eto no hampijanonana ny fisafoaky ny onjanao? 12 Hatrizay niainanao moa mba efa nandidy ny maraina va hianao? Efa notoroanao ny fitoerany va ny fipoak'andro, 13 Mba horaisiny ny sisin'ny tany, Ka hakopakopany hiala ny ratsy fanahy? 14 Ary hiova tahaka ny tanimanga tombohin-kase ny endriny, Ka hiseho tahaka ny lamba misoratra [Heb. fitafiana.] ny tarehiny, 15 Ary hosakanana ny fahazavan'ny ratsy fanahy, Ka ho tapaka ny sandry naingaina. 16 Moa efa niditra hatrany amin'ny loharanon-dranomasina va hianao, Ary efa nandehandeha tany amin'ny fanambanin'ny lalina? 17 Moa efa naharihary taminao va ny vavahadin'ny fahafatesana? Ary efa hitanao va ny vavahadin'ny aloky ny fahafatesana? 18 Moa efa voadinikao ny hatrany amin'ny fahalalahan'ny tany? Ambarao ary, raha fantatrao izany rehetra izany. 19 Aiza ary no lālana ho any amin'ny fonenan'ny mazava? Ary aiza no fitoeran'ny maizina? 20 Mba hitondranao izany ho amin'ny faran'ny alehany, Ary ho fantatrao ny lālana ho any an-tranony. 21 Eny, fantatrao mantsy izany, satria efa teraka hianao tamin'izay, Ary maro ny isan'ny andronao! 22 Moa efa niditra tany amin'ny firaketana ny orampanala va hianao? Ary efa hitanao va ny firaketana ny havandra, 23 Izay voatahiriko ho amin'ny andro fahoriana, Dia ny andro misy ady sy tafika? 24 Aiza moa no lālana izarazarana ny mazava Sy ielezan'ny rivotra avy any atsinanana ho etý ambonin'ny tany? 25 Iza moa no nihady lālan-drano ho an'ny ranonorana mirotsaka be, Sy lālan-kaleha ho an'ny helatry ny kotrokorana, 26 Handatsaka ranonorana ambonin'ny tany izay tsy itoeran'olona, Dia any amin'ny efitra tsy misy mponina, 27 Mba hahavonto ny efitra sy ny tany foana, Ary hampitsimoka ny ahitra vao mitsiry? 28 Manan-dray va ny ranonorana? Ary iza kosa no miteraka ny ranon'ando? 29 Kibon'iza moa no nihavian'ny ranomandry? Ary ny vongam-panala avy amin'ny lanitra, iza no niteraka azy? 30 Tonga mafy toy ny vato ny rano, Ary mitambatra ny fanambonin'ny lalina. 31 Mahavōna ny kofehin'ny Ikotokelimiadilaona va hianao, Ary mahavaha ny Telonohorefy? 32 Mahavoaka ny Mazarota [Anaran-kintana; ny Zôdiaka (?).] amin'ny fotoany va hianao? Ary mahatondra ny Bera mbamin'ny zanany va hianao? 33 Fantatrao va ny lalān'ny lanitra? Ary manendry ny fanapahan'ireny ny tany va hianao? 34 Mahasandratra ny feonao ho amin'ny rahona matevina va hianao, Mba hanafotra anao ny rano mandriaka? 35 Mahay mandefa ny helatra va hianao, Ka ho avy ireo hilaza aminao hoe: Indreto izahay? 36 Iza moa no nanao ny rahona matevina ho fitoeram-pahendrena, Ary irerý miseho erý an-danitra ho fampisehoana ny fahalalana? [Na: Iza no nanisy fahalala ao am-pon'ny olona? Ary iza no nanome fahalalana ho ao an-tsaina?] 37 Iza moa no manam-pahendrena mahisa ny rahom-potsy manify? Ary iza no mahatankina ny fitoeran-dranon'[Heb. siny hoditra.] ny lanitra, 38 Hitambaran'ny vovoka ho dilatra Sy hivonganany ho bainga? 39 Mahay mihaza toha ho an'ny liom-bavy va hianao, Sy mahafaka ny fahalianan'ny liona tanora, 40 Raha mamitsaka ao amin'ny fitoerany izy Ary manotrika ao amin'ny kirihitrala? 41 Iza moa no manome hanina ny goaika, Raha mitaraina amin'Andriamanitra ny zanany Ka mirenireny tsy mahita hanina?