1 Ny filazana ny razan'i Jesosy Kristy, zanak'i Davida, zanak'i Abrahama. 2 Abrahama niteraka an'i Isaka; ary Isaka niteraka an'i Jakoba; ary Jakoba niteraka an'i Joda mirahalahy avy ; 3 ary Joda niteraka an'i Fareza sy Zara tamin'i Tamara ; ary Fareza niteraka an'i Jezrona ; ary Jezrona niteraka an-dRama ; 4 ary Rama niteraka an'i Aminadaba ; ary Aminadaba niteraka an'i Nasona ; ary Nasona niteraka an'i Salmona ; 5 ary Salmona niteraka an'i Boaza tamin-dRahaba ; ary Boaza niteraka an'i Obeda tamin-dRota ; ary Obeda niteraka an'i Jese ; 6 ary Jese niteraka an'i Davida mpanjaka. Ary Davida niteraka an'i Solomona tamin'ny vadin'i Oria ; 7 ary Solomona niteraka an-dRehoboama ; ary Rehoboama niteraka an'i Abia ; ary Abia niteraka an'i Asa ; 8 ary Asa niteraka an'i Josafata ; ary Josafata niteraka an'i Jorama ; ary Jorama niteraka an'i Ozia ; 9 ary Ozia niteraka an'i Ahaza ; ary Ahaza niteraka an'i Hezekia ; 10 ary Hezekia niteraka an'i Manase; ary Manase niteraka an'i Amona ; ary Amona niteraka an'i Josia ; 11 ary Josia niteraka an'i Jekonia mirahalahy avy, tamin'ny nifindrana tany Babylona. 12 Ary taorian'ny nifindrana tany Babylona Jekonia dia niteraka an'i Sealtiela ; ary Sealtiela niteraka an'i Zerobabela ; 13 ary Zerobabela niteraka an'i Abihoda ; ary Abihoda niteraka an'i Eliakima ; ary Eliakima niteraka an'i Azora ; 14 ary Azora niteraka an'i Akima ; ary Akima niteraka an'i Elihoda ; 15 ary Elihoda niteraka an'i Eleazara ; ary Eleazara niteraka an'i Matana ; ary Matana niteraka an'i Jakoba ; 16 ary Jakoba niteraka an'i Josefa, vadin'i Maria ; ary Maria niteraka an'i Jesosy, Izay atao hoe Kristy. 17 Ary ny taranaka rehetra hatramin'i Abrahama ka hatramin'i Davida dia taranaka efatra ambin'ny folo; ary hatramin'i Davida ka hatramin'ny nifindrana tany Babylona dia taranaka efatra ambin'ny folo; ary hatramin'ny nifindrana tany Babylona ka hatramin'ny Kristy dia taranaka efatra ambin'ny folo. 18 Ary ny nahaterahan'i Jesosy Kristy dia toy izao : Rehefa nanaiky Maria, renin'i Jesosy, ho fofombadin'i Josefa, raha tsy mbola nivady izy, dia hita fa nitoe-jaza avy tamin'ny Fanahy Masina izy. 19 Ary Josefa vadiny, izay lehilahy marina sady tsy ta-hanala baraka azy, dia nikasa hametraka azy mangingina. 20 Fa raha mbola nisaina izany izy, indro, nisy anjelin'ny Tompo niseho taminy tamin'ny nofy ka nanao hoe : Ry Josefa, zanak'i Davida, aza matahotra hampakatra an'i Maria vadinao ; fa ny Zaza ao an-kibony dia avy amin'ny Fanahy Masina, 21 ka hiteraka Zazalahy izy, ary ny anarany hataonao hoe JESOSY ; fa Izy no hamonjy ny olony ho afaka amin'ny fahotany. 22 Ary izany rehetra izany dia tonga mba hahatanteraka izay nampilazain'ny Tompo ny mpaminany hoe : 23 "Indro, ny virijina hitoe-jaza ka hiteraka zazalahy ; Ary ny anarany hataon'ny olona hoe Imanoela " ( Isa . 7.14 ), izany hoe, raha adika : " Amintsika Andriamanitra . " 24 Ary Josefa, rehefa nahatsiaro tamin'ny torimasony, dia nanao araka izay nandidian'ny anjelin'ny Tompo azy ka nampakatra ny vadiny. 25 Ary tsy nahalala azy izy mandra-piterany Zazalahy ; ary ny anarany nataony hoe JESOSY. 1