1 Ary Jesosy namaly, dia nilaza fanoharana taminy indray ka nanao hoe: 2 Ny fanjakan'ny lanitra dia tahaka ny mpanjaka, izay nanao fanasana fampakaram-bady ho an'ny zanani-lahy. 3 Ary izy naniraka ny mpanompony hiantso izay efa nasaina mba hankao amin'ny fampakaram-bady; fa tsy nety ho avy ireo. 4 Dia naniraka mpanompo hafa koa indray izy ka nanao hoe: Lazao amin'izay efa nasaina hoe: Indro, efa voavoatra ny nahandroko; efa voavono ny ombiko sy ny nafahiko, ka efa voavoatra avokoa ny zavatra rehetra; koa mankanesa at? amin'ny fampakaram-bady hianareo. 5 Nefa tsy nahoany akory izany, fa samy lasa nandeha izy, ny anankiray ho any amin'ny sahany, ary ny anankiray ho any amin'ny varony. 6 Ary ny sisa nisambotra ny mpanompony, dia nisetrasetra taminy ka namono azy. 7 Ary dia tezitra ilay mpanjaka ka naniraka ny miaramilany, dia nandringana izany mpamono olona izany sady nandoro ny tanānany. 8 Dia hoy izy tamin'ny mpanompony: Efa voavoatra ny fampakaram-bady, fa izay efa nasaina no tsy mendrika. 9 Koa mankanesa hianareo any amin'ny sampanan-dālana, ary izay hitanareo any amin'ny sampanan-dālana, dia asao ho ao amin'ny fampakaram-bady. 10 Dia nivoaka ho any amin'ny lālana ireny mpanompo ireny ka namory izay rehetra hitany, na ny ratsy, na ny tsara; ary dia feno mpihinana ny fampakaram-bady. 11 Ary nony efa niditra ny mpanjaka hizaha ny mpihinana, dia nahita lehilahy anankiray izay tsy niakanjo ny akanjo fitondra amin'ny fampakaram-bady. 12 Dia hoy izy taminy: Ry sakaiza, ahoana no idiranao eto, nefa hianao tsy miakanjo ny akanjo fitondra amin'ny fampakaram-bady? Dia sina izy. 13 Ary dia hoy mpanjaka tamin'ny mpanompony: Afatory ny tongony aman-tānany, dia ario any amin'ny maizina any ivelany izy; any no hisy ny fitomaniana sy ny fikitroha-nify. 14 Fa maro ny antsoina, nefa vitsy no fidina. 15 Ary tamin'izay dia lasy ny Fariseo ka niara-nisaina mba hamandrika Azy amin'ny teniny. 16 Dia naniraka ny mpianany mbamin'ny Herodiana hankeo aminy izy ka nanao hoe: Mpampianatra ô, fantatray fa marina Hianao ka mampianatra marina ny lālan'Andriamanitra ary tsy manahy olona, satria tsy mba mizaha tavan'olona. 17 Koa lazao aminay ary izay hevitrao: Moa mety va ny mandoa vola hetra ho an'i Kaisara, sa tsia? 18 Fa Jesosy nahalala ny faharatsiany, dia nanao hoe: Nahoana no maka fanahy Ahy hianareo, ry mpihatsaravelatsihy? 19 Asehoy Ahy ny farantsakely fandoa amin'ny hetra. Dia nitondrany denaria Izy. 20 Ary hoy Jesosy taminy: An'iza ity sary sy soratra ity? 21 Hoy izy taminy: An'i Kaisara. Dia hoy Jesosy taminy: Aloavy ho an'i Kaisara ary izay an'i Kaisara, ary ho an'Andriamanitra izay an'Andriamanitra. 22 Ary nony nahare izy, dia gaga, ary dia nandao Azy ka lasa nandeha. 23 Tamin'izany andro izany dia nankeo amin'i Jesosy ny Sadoseo sasany, izay milaza fa tsy misy fitsanganan'ny maty, ka nanontany Azy hoe: 24 Mpampianatra ô, Mosesy nilaza hoe: Raha misy maty momba, aoka ny rahalahiny hampakatra ny vadiny ka hiteraka hamelo-maso ny rahalahiny (Deo.25.5). 25 Koa nisy fito mirahalahy tet? aminay; ary ny zokiny nampaka-bady, dia maty, ary satria tsy nanan-janaka izy, dia navelany ho an'ny rahalahiny ny vadiny: 26 ary toy izany koa ny faharoa sy ny fahatelo, hatramin'ny fahafito. 27 Koa faran'izy rehetra dia maty koa ravehivavy. 28 Ary amin'ny fitsanganan'ny maty, ho vadin'iza amin'izy fito mirahalahy moa ravehivavy? satria efa samy nanambady azy avokoa izy rehetra. 29 Ary Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Mahadiso hevitra anareo ny tsi-fahafantaranareo ny Soratra Masina na ny herin'Andriamanitra. 30 Fa amin'ny fitsanganan'ny maty dia tsy mba hisy hampaka-bady, na havoaka hampakarina, fa ho tahaka ny anjelyany an-danitra izy. 31 Fa ny amin'ny fitsanganan'ny maty, moa tsy mbola novakinareo va ny teny nataon'Andriamanitra taminareo manao hoe: 32 " Izaho no Andriamanitr'i Abrahama sy Andriamanitr'Isaka ary Andriamanitr'i Jakoba " ( Eks.3.6)? Andriamanitra tsy an'ny maty, fa an'ny velona. 33 Ary ny vahoaka, raha nandre, dia talanjona tamin'ny fampianarany. 34 Fa ny Fariseo, nony nandre fa nampahasėna ny Sadoseo Izy, dia niangona. 35 Ary ny anankiray tamin'ireo, izay mpahay lalāna, nanontany naka fanahy Azy ka nanao hoe: 36 Mpampianatra ô, ny didy manao ahoana moa no lehibe ao amin'ny lalāna? 37 Dia hoy Jesosy taminy: "Tiava an'i Jehovah Andriamanitrao amin'ny fonao rehetra sy ny fanahinao rehetra ary ny sainao rehetra" ( Deo.6.5). 38 Izany no didy lehibe sady voalohany. 39 Ary ny faharoa, izay tahaka azy ihany, dia izao: "Tiava ny namanao tahaka ny tenanao" ( Lev.19.18). 40 Izany didy roa izany no ihantonan'ny lalāna rehetra sy ny mpaminany. 41 Ary rehefa tafangona ny Fariseo, dia nanontany azy Jesosy ka nanao hoe: 42 Ahoana no hevitrareo any amin'i Kristy? Zanak'iza moa Izy? Hoy izy taminy: Zanak'i Davida. 43 Hoy Jesosy taminy: Koa nahoana ary Davida amin'ny Fanahy no manao Azy hoe: "Tompo", ka manao hoe: 44 "Jehovah nilaza tamin'ny Tompoko hoe: Mipetraha eo an-tanāko ankavanana ambara-panaoko ny fahavalonao ho eo ambanin'ny tongotrao" (Sal.110.1)? 45 Koa raha Davida ary manao Azy hoe "Tompo", ahoana no maha-zanany Azy? 46 Dia tsy nisy nahavaly Azy na dia teny iray akory aza; ary hatramin'izay andro izay dia tsy nisy sahy nanontany Azy intsony.