1 Ary nony niditra tao Kapernaomy indray Izy, rehefa afaka andro vitsivitsy, dia re fa tao an-trano Izy, 2 ka dia tafangona ny maro, ka tsy nisy hitoerana intsony, na dia teny anoloan'ny varavarana aza; ary Izy nitory ny teny taminy. 3 Ary nisy nanatona nitondra ny anankiray mararin'ny paralysisa ho eo aminy, izay nolanjain'efa-dahy. 4 Ary satria tsy afaka nanakaiky Azy izy noho ny habetsahan'ny vahoaka, dia nanesorany ny tafon'ny trano nitoeran'i Jesosy, ka nony efa voasokatra, dia nampidininy teo ny fandriana izay nandrian'ilay mararin'ny paralysisa. 5 Ary Jesosy, nony nahita ny finoan'ireo, dia nanao tamin'ilay mararin'ny paralysisa hoe: Anaka, voavela ny helokao. 6 Ary nisy mpanora-dalāna sasany nipetraka teo ka nieritreritra tao am-pony hoe: 7 Nahoana Ilehity no miteny toy izany? Miteny ratsyIzy. Iza no mahavela heloka afa-tsy Iray ihany, dia Andriamanitra? 8 Ary niaraka tamin'izay Jesosy dia nahalala tao am-panahiny fa nieritreritra izany tao am-pony ireo, dia hoy Izy taminy: Nahoana hianareo no mieritreritra izany zavatra izany ao am-ponareo? 9 Iza moa no moramora kokoa, ny manao amin'ilay mararin'ny paralysisa hoe: Voavela ny helokao, sa ny manao hoe: Mitsangāna, betao ny fandrianao; ka mandehana? 10 Fa mba ho fantrareo fa ny Zanak'olona manana fahefana ety ambonin'ny tany hamela heloka, dia lazaiko aminao (hoy Izy tamin'ilay mararin'ny paralysisa): 11 Mitsangāna, betao ny fandrianao, ka modia any an-tranonao. 12 Dia nitsangana izy ka nambeta ny fandriany niaraka tamin'izay ary niala teo anatrehan'ny olona rehetra; dia talanjona izy rehetra ka nankalaza an'Andriamanitra nanao hoe: Tsy mbola nahita izay toy izao izahay. 13 Ary lasa nandeha teny amoron-dranomasina indray Jesosy; ary ny vahoaka rehetra nanatona Azy, ka dia nampianatra azy Izy. 14 Ary nony nandalo Izy, dia nahita an'i Levy, zanak'i Alfeo, nipetraka teo am-pamorian-ketra;ka hoy Izy taminy: Manaraha Ahy. Dia nitsangana izy ka nanaraka Azy. 15 Ary raha nipetraka nihinana tao an-tranony Izy, dia maro ny mpamory hetra sy ny mpanota no niara-nipetraka nihinana tamin'i Jesosy mbamin'ny mpianany; fa nisy maro tao, dia nanaraka Azy izy. 16 Ary ny mpanora-dalāna, izay isan'ny Fariseo,raha nahita fa niara-nipetraka nihinana, tamin'ny mpanota sy ny mpamory hetra Izy, dia niteny tamin'ny mpianatra hoe: Miara-mihinana sy misotro amin'ny mpamory hetra sy ny mpanota Izy! 17 Ary raha nahare izany Jesosy, dia nanao taminy hoe: Tsy ny finaritra no mila mpanao fanafody, fa ny marary; tsy tonga hiantso ny marina Aho fa ny mpanota. 18 Ary ny mpianatr'i Jaona sy ny Fariseo nifady hanina tamin'izany; dia avy izy ka nanao tamin'i Jesosy hoe: Nahoana ny mpianatr'i Jaona sy ny mpianatry ny Fariseo no mifady hanina, fa ny mpianatrao kosa tsy mba mifady? 19 Ary Jesosy niteny taminy hoe: Mahay mifady va ny havan'ny mpampakatra, raha mbola ao aminy ihany ny mpampakatra? Raha mbola ao aminy ihany ny mpampakatra, dia tsy mahay mifady izy. 20 Fa ho avy ny andro izay hanalana ny mpampakatra hiala ao aminy, ka amin'izany andro izany vao hifady izy. 21 Tsy misy olona manjaitra tapa-damba tsy mbola voalōna amin'ny lamba tonta fa raha izany, ny vaovao izay nantampina dia handrompitra ny tonta, ka dia hitatra ny triatra. 22 Ary tsy misy olona manisy divay vaovao ao anaty siny hoditra tonta; fa raha izany, ny divay dia hahatriatra ny siny hoditra, ka dia samy ho very foana ny divay sy ny siny hoditra, fa divay vaovao no ho ao anaty siny hoditra vaovao. 23 Ary nandeha namaky ny tanimbary tamin'ny Sabata Jesosy; ary ny mpianany dia nioty ny salohim-bary teny am-pandehanana. 24 Ary ny Fariseo nanao taminy hoe: Indro, nahoana ireo no manao izay tsy mety amin'ny Sabata? 25 Fa hoy Izy taminy: Tsy mbola novakinareo va ny teny milaza ilay nataon'i Davida, raha reraky ny hanoanana izy mbamin'izay nanaraka azy, 26 fa niditra tao an-tranon'Andriamanitra tamin'ny andron'i Abiaratara mpisoronabe izy ka nihinana ny mofo aseho, izay mahadiso raha misy homana izany, afa-tsy ny mpisorona ihany, ary nomeny koa izay nanaraka azy? 27 Ary hoy Izy taminy: Ny Sabata no natao ho an'ny olona, fa tsy ny olona ho an'ny Sabata; 28 ka dia Tompon'ny Sabata aza ny Zanak'olona.