1 Ary tamin'ny Sabata anankiray dia nandeha namaky ny tanimbary Jesosy; ary ny mpianany nanoty ny salohim-bary, ka rehefa nokosokosohiny tamin'ny tànany, dia nohaniny. 2 Fa ny Fariseo sasany nanao hoe: Nahoana hianareo no manao izay tsy mety hatao amin'ny Sabata? 3 Ary Jesosy namaly azy ka nanao hoe: Tsy mbola novakinareo va ny teny milaza ilay nataon'i Davida, raha noana izy mbamin'izay nanaraka azy, 4 fa niditra tao an-tranon'Andriamanitra izy ka nandray ny mofo aseho ary nihinana sady nanome ho an'izay nanaraka azy koa, nefa mahadiso raha misy homana izany, afa-tsy ny mpisorona ihany? 5 Ary hoy Izy taminy: Tompon'ny Sabata ny Zanak'olona. 6 Ary nony tamin'ny Sabata hafa koa dia niditra tao amin'ny synagoga Jesosy ka nampianatra; ary nisy lehilahy anankiray maty tànana ankavanana tao. 7 Ary ny mpanora-dalàna sy ny Fariseo nizaha taratra Azy, na hahasitrana amin'ny Sabata Izy, na tsia, mba hahitany izay hiampangana Azy. 8 Fa Jesosy nahalala ny hevitr'ireo, ka dia niteny tamin-dralehilahy maty tànana hoe: Mitsangàna ka mijoroa etsy afovoany. Dia nitsangana izy ka nijoro. 9 Ary hoy Jesosy tamin'ireo: Manontany anareo Aho: Moa ny manao soa va no mety hatao amin'ny Sabata, sa ny manao ratsy? ny mamonjy aina sa ny mahavery aina? 10 Ary nijery azy rehetra manodidina Izy, dia nanao tamin-dralehilahy hoe: Ahinjiro ny tànanao. Dia nataony izany, ka sitrana ny tànany. 11 Dia safotry ny hatezerana izy ireo ka nioko ny amin'izay hanaovana an'i Jesosy. 12 Ary tamin'izany andro izany dia lasa nankany an-tendrombohitra Jesosy mba hivavaka; ary naharitra nivavaka tamin'Andriamanitra nandritra ny alina Izy. 13 Ary nony maraina ny andro, dia nantsoiny hanatona Azy ny mpianany, ka nifidianany roa ambin'ny folo lahy, izay nataony hoe Apostoly, 14 dia Simona, izay nataony hoe koa Petera, ary Andrea rahalahiny, sy Jakoba sy Jaona sy Filipo sy Bartolomeo 15 sy Mario sy Tomasy sy Jakoba, zanak'i Alfeo, sy Simona, izay atao hoe Zelota, 16 sy Jodasy, zanak'i Jakoba, ary Jodasy Iskariota, ilay tonga namadika. 17 Ary Jesosy niara-nidina tamin'ireo, dia nijanona teo an-kamarenana Izy sy ny mpianany maro mbamin'ny vahoaka betsaka avy tany Jodia rehetra sy Jerosalema, ary avy tany amoron-dranomasina any Tyro sy Sidona, izay tonga mba hihaino Azy sy hositranina amin'ny aretiny; 18 ary izay nampahorin'ny fanahy maloto dia nositranina. 19 Ary ny vahoaka rehetra nitady hanendry Azy, satria nisy hery niala taminy ka nahasitrana azy rehetra. 20 Ary Jesosy dia nanopy ny masony tamin'ny mpianany ka nanao hoe: Sambatra hianareo malehelo, fa anareo ny fanjakan'Andriamanitra. 21 Sambatra hianareo noana ankehitriny, fa hovokisana hianareo. Sambatra hianareo mitomany ankehitriny, fa hihomehy hianareo. 22 Sambatra hianareo, raha halan'ny olona ka ariany sy haratsiny, ary laviny toy ny zava-dratsy ny anaranareo, noho ny amin'ny Zanak'olona. 23 Mifalia hianareo amin'izany andro izany, ka mibitaha; fa, indro, lehibe ny valim-pitianareo any an-danitra; fa izany no nataon'ny razany tamin'ny mpaminany. 24 Fa lozanareo izay manan-karena kosa! fa efa azonareo izay nahafa-po anareo. 25 Lozanareo izay voky ankehitriny! fa mbola ho noana hianareo. 26 Lozanareo, raha milaza soa anareo ny olona rehetra! fa izany no nataon'ny razany tamin'ny mpaminany sandoka. 27 Kanefa hoy Izaho aminareo izay mihainy: Tiava ny fahavalonareo; manaova soa amin'izay mankahala anareo; 28 misaora izay manozona anareo, ary mivavaha ho an'izay manisy ratsy anareo. 29 Raha misy mamely ny takolakao anankiray, dia atolory azy koa ny anankiray; ary raha misy maka ny lambanao, aza lavinao na dia ny akanjonao aza. 30 Omeo izay rehetra mangataka aminao; ary raha misy maka ny anananao, dia aza manaraka izany aminy. 31 Ary araka izay tianareo hataon'ny olona aminareo, dia mba ataovy aminy kosa. 32 Fa raha izay tia anareo ihany no tianareo, inona moa no soa tokony ho azonareo? fa na dia ny mpanota koa aza mba tia izay tia azy. 33 Ary raha izay manisy soa anareo ihany no asianareo soa, inona moa no soa tokony ho azonareo? fa na dia ny mpanota aza mba manao izany ihany. 34 Ary raha mampisambotra izay antenainareo fa mbola hanonitra hianareo, inona moa no soa tokony ho azonareo? fa na dia ny mpanota aza mba mampisambotra ny mpanota, handraisany toraka izany indray. 35 Fa tiava ny fahavalonareo, ary manaova soa, dia mampisambora, ka aza kivy na amin'inona na amin'inona, dia ho lehibe ny valim-pitianareo, ary ho zanaky ny Avo indrindra hianareo; fa Izy mora fanahy amin'izay tsy misaotra sy ratsy fanahy. 36 Aoka ho mpamindra fo hianareo mba ho tahaka ny Rainareo, Mpamindra fo. 37 Ary aza mitsara, dia tsy hotsaraina hianareo; aza manameloka, dia tsy hohelohina hianareo; 38 omeo, dia mba homena hianareo; fatra tsara sady ahintsana no afatratra ka mihoatra no homeny ho ao am-pofoanareo. Fa izay fatra ataonareo no hamarana ho anareo kosa. 39 Ary Jesosy nanao fanoharana taminy koa hoe: Ny jamba va mahatari-dalana ny jamba? Tsy hianjera any an-kady va izy roa? 40 Ny mpianatra tsy mihoatra noho ny mpampianatra; fa izay rehetra tanteraka dia ho tahaka ny mpampianatra azy ihany. 41 Ary nahoana hianao no mijery ny sombin-kazo izay eo amin'ny mason'ny rahalahinao, nefa ny andry izay eo amin'ny masonao dia tsy mba tsaroanao akory? 42 Ary ahoana no ilazanao amin'ny rahalahinao hoe: Ry rahalahy, aoka hesoriko ny sombin-kazo eo amin'ny masonao, nefa tsy mba hitanao ny andry eo amin'ny masonao? Ry mpihatsaravelatsihy, esory aloha ny andry eo amin'ny masonao, ary amin'izay dia ho hitanao tsara ny hanesoranao ny sombin-kazo eo amin'ny mason'ny rahalahinao. 43 Fa tsy misy hazo tsara mamoa voa ratsy, na hazo ratsy mamoa voa tsara. 44 Fa samy fantatra amin'ny voany avy ny hazo rehetra; fa tsy misy manoty aviavy amin'ny tsilo, na voaloboka amin'ny voaroy. 45 Ny olona tsara fanahy dia mamoaka ny tsara avy amin'ny rakitra tsaran'ny fony; ary ny ratsy fanahy kosa dia mamoaka ny ratsy; fa amin'ny haben'ny ao am-pony no itenenan'ny vavany. 46 Ary nahoana hianareo no miantso Ahy hoe: Tompoko, Tompoko, nefa tsy manao izay lazaiko? 47 Izay rehetra manatona Ahy sy mandre ny teniko ka mankatà azy, dia hasehoko aminareo izay tahaka azy: 48 Tahaka ny olona nanao trano izy, izay nihady lalina ary nanisy fanorenana teo ambonin'ny vatolampy; ary nony tondraka ny rano, dia namely mafy izany trano izany ny riaka, nefa tsy nahahozongozona azy, satria tsara fanorenana izy. 49 Fa izay mandre, fa tsy mankato, dia tahaka ny olona izay nanao trano teo ambonin'ny tany, fa tsy nanisy fanorenana; dia mamely azy mafy ny riaka, ka dia nirodana niaraka tamin'izay izy; ary loza ny naharavan'izany trano izany.