1 Aza malahelo ny fonareo; minoa an'Andriamanitra, ary minoa Ahy koa. 2 Ao an-tranon'ny Raiko misy fitoerana maro; raha tsy izany, dia efa nilaza taminareo Aho; fa handeha hamboatra fitoerana ho anareo Aho. 3 Ary raha handeha hamboatra fitoerana hoa anareo Aho, dia ho avy indray ka handray anareo ho any amiko, ka izay itoerako no hitoeranareo koa. 4 Ary fantatrareo koa ny lālana ho any amin'izay halehako. 5 Hoy Tomasy taminy: Tompoko, tsy fantatray izay alehanao; ka hataonay ahoana no fahafantatra ny lālana? 6 Hoy Jesosy taminy: Izaho no lālana sy fahamarinana ary fiainana; tsy misy olona mankany amin'ny Ray, afa-tsy amin'ny alalako. 7 Raha nahafantatra Ahy hianareo, dia ho nahafantatra ny Raiko koa; ary hatramin'izao dia mahafantatra Azy hianareo sady efa nahita Azy. 8 Hoy Filipo taminy: Tompoko, asehoy anay ny Ray, dia ampy ho anay izay. 9 Hoy Jesosy taminy: Izay ela izay no efa nitoerako teto aminareo, ka tsy mbola fantatrao ihany va Aho, ry Filipo? Izay nahita Ahy dia nahita ny Ray; koa ahoana no anaovanareo hoe: Asehoy anay ny Ray? 10 Tsy mino va hianao fa Izaho ao amin'ny Ray, ary ny Ray ato amiko? Ny teny izay lazaiko aminareo, dia tsy avy amiko izany lazaiko izany; fa ny Ray mitoetra ato amiko no manao ny asa. 11 Minoa Ahy fa Izaho ao amin'ny Ray, ary ny Ray ato amiko; fa raha tsy izany, dia minoa Ahy noho ny asa ihany aza. 12 Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa: Izay mino Ahy, ny asa ataoko no hataony koa; ary hanao asa lehibe noho izany aza izy, satria Izaho mankany amin'ny Ray. 13 Ary na inona na inona no hangatahinareo amin'ny anarako, dia hataoko izany, mba hankalazana ny Ray eo amin'ny Zanaka. 14 Raha mangataka zavatra amiko amin'ny anarako hanareo, dia hataoko izany. 15 Raha tia Ahy hianareo, dia hitandrina ny didiko. 16 Ary Izaho hangataka amin'ny Ray, ary Izy hanome anareo Mpananatra hafa mba ho eo aminareo mandrakizay, 17 dia ny Fanahin'ny fahamarinana, Izay tsy azon'izao tontolo izao horaisina, satria tsy hitany na fantany; fa hianareo no mahafantatra Azy, satria mitoetra eo aminareo Izy, ary ho ao anatinareo. 18 Tsy hamela anareo ho kamboty Ahy; hankaty aminareo Aho. 19 Vetivety foana dia tsy hahita Ahy intsony izao tontolo izao; fa hianareo no hahita Ahy; satria velona Aho, dia ho velona koa hianareo. 20 Amin'izany andro izany dia ho fantatrareo fa Izaho ao amin'ny Raiko, ary hianareo ato amiko, ary Izaho ao aminareo. 21 Izay manana ny didiko ka mitandrina izany, dia izy no tia Ahy; ary izay tia Ahy no ho tian'ny Raiko, ary Izaho ho tia azy ka hiseho aminy. 22 Hoy Jodasy (tsy Iskariota) taminy: Tompoko, nahoana no aminay ihany no hisehoanao, fa tsy amin'izao tontolo izao koa? 23 Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Raha misy tia Ahy, dia hitandrina ny teniko izy; ary ny Raiko ho tia azy, ary hankao aminy Izahay ka honina ao aminy. 24 Izay tsy tia Ahy dia tsy mitandrina ny teniko; ary ny teny izay renareo dia tsy Ahy, fa an'ny Ray Izay naniraka Ahy. 25 Izany teny izany dia efa voalazako taminareo raha mbola mitoetra eto aminareo Aho; 26 fa ny Mpananatra, dia ny Fanahy Masina, Izay hirahin'ny Ray amin'ny anarako, Izy no hampianatra anareo ny zavatra rehetra sy hampahatsiaro anareo ny zavatra rehetra izay nolazaiko taminareo. 27 Fiadanana no avelako ho anareo, ny fiadanako no omeko anareo; tsy tahaka ny fanomen'izao tontolo izao no fanomeko anareo. 28 efa renareo fa Izaho nilaza taminareo hoe: Handeha Aho, nefa ho avy aminareo indray. Raha tia Ahy hianareo, dia ho faly, satria mankany amin'ny Ray Aho; fa ny Ray dia lehibe noho Izaho. 29 Ary ankehitriny efa nilaza taminareo Aho, dieny tsy mbola tonga izany, mba hinoanareo, rehefa tonga. 30 Tsy hilaza zavatra maro aminareo intsony Aho; fa avy ny andrianan'izao tontolo izao, nefa tsy manana na inona na inona ato amiko izy. 31 Fa mba ho fantatr'izao tontolo izao fa tiako ny Ray, ary araka izy nandidian'ny Ray Ahy, dia izany no hataoko. Mitsangāna, andeha isika hiala eto.