1 Ary hoy Agripa tamin'i Paoly: Mahazo mandahatra ny teninao hianao. Ary Paoly naninjitra ny tànany ka nandahan-teny hanala tsiny ny tenany nanao hoe: 2 Ny amin'ny zavatra rehetra iampangan'ny Jiosy ahy, ry Agripa mpanjaka, dia ataoko fa sambatra aho, satria mahazo mandahan-teny hanala tsiny ny tenako eto anatrehanao anio, 3 indrindra fa efa fantatrao tsara ny fanao sy ny ady hevitra rehetra amin'ny Jiosy; koa trarantitra hianao, mba mahareta hihaino ahy. 4 Fantatry ny Jiosy rehetra ny fitondrantenako hatry ny fony aho mbola kely teo amin'ny fireneko tany Jerosalema hatramin'ny voalohany; 5 eny, fantany hatramin'ny voalohany aho (raha mety milaza izy,) fa efa Fariseo aho araka ny antoko fatra-pitana indrindra ny lalàna amin'ny fivavahantsika. 6 Ary ankehitriny ny fanantenana ny teny fikasana izay nataon'Andriamanitra tamin'ny razantsika no itsanganako hotsaraina eto, 7 dia ilay fanantenana andrasan'ny firenentsika roa ambin'ny folo, izay mazoto manao fanompoam-pivavahana ho an'Andriamanitra andro aman-alina. Izany fanantenana izany no iampangan'ny Jiosy ahy, ry mpanjaka ô. 8 Nahoana no ataonareo ho zavatra tsy azo inoana, raha Andriamanitra manangana ny maty? 9 Ary izaho efa nihevitra tao am-poko tokoa fa tsy mety raha tsy manao zavatra maro hanohitra ny anaran'i Jesosy, avy any Nazareta, 10 sady nataoko tany Jerosalema izany ka maro ny olona masina no nohidiako tao an-trano-maizina, rehefa nahazo fahefana tamin'ny lohan'ny mpisorona aho; ary raha hovonoina ireny dia mba nandatsa-bato nanaiky izany koa aho. 11 Ary nampijaly azy matetika teo amin'ny synagoga rehetra aho ka nanery azy hiteny ratsy , ary satria very saina tamin'ny fahatezerako taminy aho, dia nanenjika azy hatramin'ny tanàna any ivelany koa aza. 12 Ary tamin'izany, raha nankany Damaskosy aho, nitondra fahefana sy teny izay efa azoko tamin'ny lohan'ny mpisorona, 13 koa nony ilay nitatao-vovonana iny ny andro, nisy mazava avy tany an-danitra nanelatrelatra manodidina ahy mbamin'izay niaraka tamiko mihoatra noho ny famirapiratry ny masoandro. 14 Ary rehefa lavo tamin'ny tany izahay rehetra, dia nandre feo nilaza tamiko aho nanao tamin'ny teny Hebreo hoe: Saoly, Saoly, nahoana hianao no manenjika Ahy? Zavatra sarotra aminao ny hanipaka ny fanindronana. 15 Dia hoy izaho: Iza moa Hianao, Tompoko? Ary hoy ny Tompo: Izaho no Jesosy Izay enjehinao. 16 Fa mitsangàna, ka mijoroa amin'ny tongotrao; fa izao no nisehoako taminao, dia ny hanendry anao ho mpanompo sy ho vavolombelona ny amin'izay efa nahitanao Ahy , sy izay hisehoako aminao, 17 hamonjy anao amin'ny olona Isiraely sy ny jentilisa, izay anirahako anao, 18 hampahiratra ny masony hialany amin'ny maizina ho amin'ny mazava, ary amin'ny fahefan'i Satana ho amin' Andriamanitra, mba hahazoany famelan-keloka sy lova eo amin'izay nohamasinina noho ny finoana Ahy. 19 Ary amin'izany, ry Agripa mpanjaka ô, dia tsy nandà ny fahitana avy tany an-danitra aho; 20 fa nambarako voalohany tamin'izay tany Damaskosy sy Jerosalema sy tany amin'ny tany Jodia rehetra ary tany amin'ny jentilisa, mba hibebaka sy hiverina amin'Andriamanitra izy ka hanao asa mendrika ny fibebahana. 21 Ary izany no nisamboran'ny Jiosy ahy teo an-kianjan'ny tempoly sy nitadiavany hahafaty ahy. 22 Ary noho ny fitahian'Andriamanitra ahy dia mbola maharitra mandraka andro-any aho ka manambara na amin'ny kely na amin'ny lehibe ary tsy milaza na inona na inona afa-tsy izay nolazain'ny mpaminany sy Mosesy fa ho avy, 23 fa Kristy tsy maintsy nijaly ary ho voalohany hitsangana amin'ny maty ka hitory fahazavana amin'ny olona Isiraely sy amin'ny jentilisa. 24 Ary raha nandahatra izany izy, dia hoy Festosy tamin'ny feo mahery: Ry Paoly ô, very saina hianao; ny fianarana be loatra no efa nahavery saina anao. 25 Fa hoy Paoly: Tsy very saina aho, ry Festosy tsara indrindra, fa mandahatra tenin'ny fahamarinana sy ny fahononana. 26 Fa fantary ny mpanjaka izany zavatra izany, ka dia miteny amin'ny fahasahiana eto anatrehany aho: fa mino aho fa tsy miafina taminy izany zavatra izany, satria tsy natao tao amin'ny takona izany. 27 Ry Agripa mpanjaka ô, mino ny mpaminany va hianao? Fantatro fa mino hianao. 28 Fa hoy Agripa tamin'i Paoly: Hay! Ataonao fa mora toy izany no hampanekenao ahy ho Kristiana. 29 Ary hoy Paoly: Mangataka amin'Andriamanitra aho, fa na amin'ny mora, na amin'ny sarotra, tsy hianao ihany, fa izay rehetra mandre ahy anio, dia hitovy amiko, afa-tsy amin'ireto gadra ireto ihany. 30 Ary nitsangana ny mpanjaka sy ny governora ary Berenika mbamin'izay niara-nipetraka teo aminy; 31 ary rehefa niala teo izy, dia niresaka hoe: Tsy manao izay tokony hahafaty na hamantorana azy tsy akory izany lehilahy izany. 32 Ary hoy Agripa tamin'i Festosy: Azo nalefa ihany io lehilahy io, saingy efa nifidy ny handahatra any anatrehan'i Kaisara izy.