1 Koa amin'izany mangataka aminareo aho, ry rahalahy, noho ny famindrampon'Andriamanitra, mba hatolotrareo ny tenanareo ho fanatitra velona, masina, sitrak'Andriamanitra, dia fanompoam-panahy mety hataonareo izany. 2 Ary aza manaraka ny fanaon'izao tontolo izao; fa miovā amin'ny fanavaozana ny saina, hamantaranareo ny sitrapon'Andriamanitra, dia izay tsara sady ankasitrahana no marina. 3 Fa noho ny fahasoavana nomena ahy dia izao no lazaiko amin'ny olona rehetra izay eo aminareo: Aza miavonavon-kevitra ka mihevitra mihoatra noho izay tokony hoheverina; fa mihevera izay onony araka ny ohatry ny finoana izay nozarain'Andriamanitra ho anareo avy. 4 Fa toy ny ananantsika zavatra maro momba ny tena iray, nefa tsy mitovy asa izay rehetra momba ny tena, 5 dia toy izany koa isika, na dia maro aza, dia tena iray ihany ao amin'i Kristy, ary samy miara-momba ny tena isika rehetra. 6 Ary satria samy manana fanomezam-pahasoavana samy hafa isika, araka ny fahasoavana izay nomena antsika: raha faminaniana, dia aoka hatao araka ny ohatry ny finoana; 7 raha fanompoana amin'ny fiangonana, dia aoka ho amin'ny fanompoana; raha mampianatra, dia aoka ho amin'ny fampianarana; 8 raha mananatra, dia aoka ho amin'ny fananarana; izay manome, dia aoka ho amin'ny fahatsoram-po; izay manapaka, dia aoka ho amin'ny fahazotoana; izay mamindra fo, dia aoka ho amin'ny fifaliana. 9 Aoka ny fitiavana ho amin'ny tsi-fihatsarambelatsihy; mankahalā ny ratsy; mifikira amin'ny tsara. 10 Mifankatiava araka ny fifankatiavan'ny mpirahalahy; mitariha lālana amin'ny fanomezam-boninahitra. 11 Mazotoa, fa aza malaina, ary aoka hafana fo amin'ny fanompoana ny Tompo. 12 Mifalia amin'ny fanantenana; miareta amin'ny fahoriana; mahareta amin'ny fivavahana. 13 Miantrā ny olona marina araka izay ilainy; mazotoa mampiantrano vahiny. 14 Misaora izay manenjika anareo; misaora, fa aza manozona. 15 Miaraha mifaly amin'izay mifaly, ary miaraha mitomany amin'izay mitomany. 16 Miraisa saina. Aza mihevitra izay hiavonavona, fa aoka mba ho zatra amin'ny fietrena hianareo. Aza manao ny tenanareo ho hendry. 17 Aza mamaly ratsy na amin'iza na amin'iza. Miomāna hanao izay mahamendrika eo imason'ny olona rehetra. 18 Raha azo atao, dia ataovy izay hihavananareo amin'ny olona rehetra. 19 Ry malala, aza mamaly ratsy, fa omeo lālana ny fahatezerana; fa voasoratra hoe: "Ahy ny famaliana; Izaho no hamaly, hoy Jehovah" (Deo. 32. 35). 20 Fa raha noana ny fahavalonao, omeo hanina izy; raha mangetaheta izy, omeo hosotroiny; fa raha manao izany hianao, dia hanambatra vainafo ho eo an-dohany (Oha. 25. 21, 22). 21 Aza mety ho resin'ny ratsy hianao, fa reseo amin'ny soa ny ratsy.