1 Ary hoy izaho: Raha mbola zaza ny mpandova, dia tsy hafa noho ny andevo izy, na dia tompon'ny zavatra rehetra aza; 2 fa fehezin'izay mpitondra sy mpitaiza azy izy mandra-pahatongan'ny fetr'andro voatendrin'ny rainy. 3 Dia tahaka izany koa isika, fony mbola zava, dia nandevozin'ny abidim-pianaran'izao tontolo izao; 4 fa rehefa tonga ny fotoan'andro, dia nirahin'Andriamanitra ny Zanany, nateraky ny vehivavy, nateraka tao ambanin'ny lalāna, 5 hanavotany izay ambanin'ny lalāna, mba handraisantsika ny fananganananaka. 6 Ary satria zanaka hianareo, dia nirahin'Andriamanitra ho ato am-pontsika ny Fanahin'ny Zanany, miantso hoe: Aba, Ray ô. 7 Ka dia tsy mpanompo intsony hianao, fa zanaka; ary raha zanaka, dia mpandova koa noho ny ataon'Andriamanitra. 8 Kanefa tamin'izany, fony mbola tsy nahalala an'Andriamanitra hianareo, dia nanompo izay andriamani-tsi-izy; 9 fa ankehitriny, rehefa mahalala an'Andriamanitra hianareo - nefa tsy izany, fa Izy no mahalala anareo - nahoana hianareo no dia miverina indray ho amin'ny abidim-pianarana malemy sady tsy misy na inona na inona, nefa tianareo hotompoina indray? 10 Andro sy volana sy fotoana ary taona no tandremanareo fatratra. 11 Matahotra ny aminareo aho, fandrao dia nisasatra foana taminareo. 12 Ry rahalahy, mangataka aminareo aho, aoka ho tonga tahaka ahy hianareo, fa izaho kosa mba efa tonga tahaka anareo. Tsy naninona ahy akory hianareo; 13 nefa fantatrareo fa noho ny fahalemen'ny nofo no nitoriako ny filazantsara taminareo tamin'ilay voalohany; 14 ary ny teo amin'ny nofoka izay tonga fakam-panahy anareo dia tsy mba nohamavoinareo na nolavinareo; fa nandray ahy tahaka ny mandray anjelin'Andriamanitra hianareo, eny, dia tahaka an'i Kristy Jesosy aza. 15 Aiza ary ilay nataonareo ho fahasambarana? Fa vavolombelonareo aho fa raha azo natao, na dia ny masonareo aza dia ho nesorinareo ka nomenareo ahy. 16 Koa efa tonga fahavalonareo va aho, satria milaza ny marina aminareo? 17 Mazoto mila fitia aminareo izy ireo, nefa tsy araka ny mety; fa izy ta-hanidy anareo any ivelany, mba hampahazoto anareo hila fitia aminy kosa. 18 Fa tsara raha ilam-pitia amin'ny tsara mandrakariva, na dia sendra tsy eo aminareo aza aho. 19 Anaka, izay aharariako indray amin'ny fiterahana mandra-paharin'i Kristy ao anatinareo, 20 enga anie ka ho tonga eo aminareo aho ankehitriny ka hanova ny feoko; fa misalasala aho ny aminareo. 21 Milazā amiko, hianareo izay te-ho ambanin'ny lalāna: tsy renareo va ny lalāna? 22 fa voasoratra hoe: Abrahama nanana zanaka roa lahy, ny anankiray tamin'ny andevovavy, ary ny anankiray tamin'ny tsy andevo. 23 Kanefa ilay tamin'ny andevovavy dia nateraka araka ny nofo; fa ilay tamin'ny tsy andevo kosa dia nateraka tamin'ny teny fikasana. 24 Ary izany dia azo atao fanoharana; fa izy roa vavy ireo dia fanekena roa; ny anankiray avy tamin'ny tendrombohitra Sinay ka miteraka ho amin'ny fahandevozana, dia Hagara izany. 25 Ary [Fa] ny hoe Hagara dia tendrombohitra Sinay any Arabia ka mifamaly amin'i Jerosalema ankehitriny; fa andevo izy mbamin'ny zanany. 26 Fa Jerosalema any ambony kosa, izay renintsika, dia tsy mba andevo. 27 Fa voasoratra hoe: "Mifalia, ramomba, izay tsy miteraka; Miantsoa sy minanananā, hianao izay tsy mbola mihetsi-jaza; Fa ny zanaky ny mpitondratena dia maro noho ny an'ny manam-bady" (Isa. 54. 1). 28 Fa isika, ry rahalahy, dia zanaky ny teny fikasana tahaka an'Isaka. 29 Kanefa tahaka ny tamin'izany andro izany, ilay teraka araka ny Fanahy, dia tahaka izany koa ankehitriny. 30 Nefa ahoana no lazain'ny Soratra Masina? "Roahy io andevovavy io sy ny zanani-lahy; fa ny zanaky ny andevo tsy hiray lova amin'ny zanaky ny tsy andevo" (Gen. 21. 10). 31 Ary amin'izany, ry rahalahy, tsy zanak'andevovavy isika, fa zanaky ny tsy andevo.