1 Ho amin'ny fahafahana no nanafahan'i Kristy antsika; ka tomoera tsara, fa aza mety hohazonin'ny zioga fanandevozana intsony. 2 Indro, izaho Paoly milaza aminareo fa raha mety hoforana hianareo, dia tsy hahasoa anareo na dia kely akory aza Kristy. 3 Ary lazaiko marina indray amin'ny olona manaiky hoforana rehetra fa mpitrosa tsy maintsy mankato ny lalàna rehetra izy. 4 Dia tafasaraka amin'i Kristy hianareo na iza na iza izay mitady hohamarinina amin'ny lalàna; efa lavo niala tamin'ny fahasoavana hianareo. 5 Fa izahay amin'ny Fanahy sy noho ny finoana dia miandry ny fanantenana [fanantenan'] ny fahamarinana. 6 Fa ao amin'i Kristy Jesosy dia tsy mahasoa ny famorana na ny tsi-famorana, fa ny finoana izay miasa amin'ny fitiavana. 7 Hianareo nihazakazaka tsara, iza no nisakana anareo tsy hanaiky ny marina? 8 Izany fitaomana izany dia tsy avy tamin'Ilay miantso anareo. 9 Ny masirasira kely dia mahatonga ny vongana rehetra ho masirasira avokoa. 10 Izaho matoky anareo ao amin'ny Tompo fa tsy hisaina zavatra hafa akory hianareo; fa ilay mampitabataba anareo no hiharan'ny fanamelohana, na zovy na zovy izy. 11 Fa izaho, ry rahalahy, raha mbola mitory famorana ihany, nahoana aho no mbola enjehina? Dia afaka tokoa ny fahatafintohinana noho ny hazo fijaliana. 12 Enga anie ka hiesotra [hanakilema tena] aza izay mampitabataba anareo. 13 Fa efa nantsoina ho amin'ny fahafahana hianareo, ry rahalahy; kanefa aoka tsy ho entinareo hanaraka ny nofo izany fahafahana izany, fa mifanompoa amin'ny fitiavana. 14 Fa tanteraka amin'ny teny iray ihany ny lalàna rehetra, dia izao: "Tiava ny namanao tahaka ny tenanao" (Lev. 19. 18). 15 Fa raha mifandramatra sy mifampihinana hianareo, tandremo fandrao mifandringana. 16 Fa hoy izaho: Mandehana araka ny Fanahy, dia tsy hahatanteraka ny filan'ny nofo hianareo. 17 Fa ny nofo manohitra ny Fanahy, ary ny Fanahy manohitra ny nofo; ary mifanohitra izy roroa, mba tsy hahazoanareo manao izay zavatra tianareo. 18 Fa raha tarihin'ny Fanahy hianareo, dia tsy mba ambanin'ny lalàna. 19 Fa miharihary ny asan'ny nofo, dia izao: Fijangajangana, fahalotoana, fijefojejoana, 20 fanompoan-tsampy, fanaovana ody ratsy, fandrafiana, fifandirana, adi-lahy, fiafonafonana, fifampiandaniana, fisarahana, fitokoana, 21 fialonana, fahamamoana, filalaovan-dratsy, ary ny toy izany, izay lazaiko aminareo rahateo, tahaka ny voalazako fahiny koa, fa izay manao izany dia tsy handova ny fanjakan'Andriamanitra. 22 Fa ny vokatry ny Fanahy kosa dia fitiavana, fifaliana, fiadanana, fahari-po, fahamoram-panahy, fanaovan-tsoa, fahamarinana, 23 fahalemem-panahy, fahononam-po; tsy misy lalàna manohitra izany. 24 Fa izay an'i Kristy Jesosy dia efa nanombo ny nofony mbamin'ny faniriany sy ny filàny tamin'ny hazo fijaliana. 25 Raha velon'ny Fanahy isika, dia aoka handeha araka ny Fanahy. 26 Aoka isika tsy handrani-tena foana ka hifampihaika sy hifampialona. 14