1 Ry rahalahy, raha misy olona azon'ny ota tsy nahy aza [azo olan-tànana amin'izay fahadisoana aza], dia atsanganonareo izay manana ny Fanahy amin'ny fahamorana izy, ka mihevera ny tenanao, fandrao hianao koa mba halaim-panahy ihany. 2 Mifampitondrà izay mavesatra, ary aoka izany no hahatanterahanareo ny lalàn'i Kristy. 3 Fa raha misy manao ny tenany ho zavatra, kanjo tsinontsinona, dia mamitaka ny tenany izy. 4 Fa aoka ny olona rehetra samy hizaha toetra ny asany avy, dia samy hanana hafaliana ny amin'ny tenany ihany izy, fa tsy ny amin'ny olon-kafa; 5 fa samy hitondra ny entany avy ny olona rehetra. 6 Aoka izay ampianarina ny teny mba hahafoy zava-tsoa hoa an'izay mampianatra. 7 Aza mety hofitahina hianareo; fa izay afafin'ny olona no hojinjainy. 8 Fa izay mamafy ho an'ny nofony dia hijinja fahasimbana avy amin'ny nofo; ary izay mamafy ho an'ny Fanahy dia hijinja fiainana mandrakizay avy amin'ny Fanahy. 9 Ary aza mba ketraka amin'ny fanaovan-tsoa isika; fa amin'ny fotoan'andro no hijinjantsika, raha tsy reraka isika. 10 Koa araka ny ananantsika andro hanaovana, dia aoka isika hanao soa amin'ny olona rehetra, indrindra fa amin'ny mpianakavin'ny finoana. 11 Indro ny havaventin'ny soratra izay soratan'ny tànako ho aminareo. 12 Na iza na iza te-hiseho ho tsara amin'ny nofo, dia ireo no manery anareo hoforana, nefa noho izao ihany: fandrao henjehina noho ny hazo fijalian'i Kristy izy. 13 Fa na dia ny tenan'izy voafora aza dia tsy mitandrina ny lalàna; kanefa tiany hoforana koa hianareo, mba hireharehany amin'ny nofonareo. 14 Fa sanatria raha mba misy hataoko rehareha afa-tsy ny hazo fijalian'i Jesosy Kristy Tompontsika, Izay [izay] naha-voahombo izao tontolo izao tamin'ny hazo fijaliana, raha ny amiko, ary izaho kosa raha ny amin'izao tontolo izao. 15 Fa samy tsy mahasoa na ny famorana na ny tsi-famorana, fa ny ho olom-baovao. 16 Ary izay rehetra mandeha araka ity fitsipika ity, dia ho aminy anie ny fiadanana sy ny famindrampo, ary hoa amin'ny Isiraelin'Andriamanitra. 17 Amin'izao sisa izao aoka tsy hisy hanahirana ahy intsony; fa izaho mitondra ny marik'i Jesosy voatomboka eo amin'ny tenako. 18 Ho amin'ny fanahinareo anie, ry rahalahy, ny fahasoavan'i Jesosy Kristy Tompontsika. Amena.