1 Paoly, Apostolin'i Kristy Jesosy noho ny sitrapon'Andriamanitra, mamangy ny olona masina any Efesosy, izay mahatoky ao amin'i Kristy Jesosy: 2 ho aminareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin'Andriamanitra Raintsika sy Jesosy Kristy Tompo. 3 Isaorana anie Andriamanitra Rain'i Jesosy Kristy Tompontsika Izay nitahy antsika tao amin'i Kristy amin'ny fitahiam-panahy rehetra any an-danitra, 4 araka ny nifidianany antsika tao aminy, fony tsy mbola ary ny fanorenan'izao tontolo izao, mba ho masina sady tsy misy tsiny eo anatrehany isika. 5 rehefa notendreny rahateo amin'ny fitiavana isika mba ho Azy amin'ny fananganan-anaka amin'ny alalan'i Jesosy Kristy, araka izay ankasitrahan'ny fony, 6 ho fiderana ny voninahitry ny fahasoavany, izany nanasoavany antsika maimaimpoana ao amin'ny Malala. 7 Izy no ananantsika fanavotrana amin'ny rany, dia ny famelana ny fahadisoantsika, araka ny haren'ny fahasoavany, 8 izay nataony be ho antsika tamin'ny fahendrena sy ny fisainana rehetra, 9 rehefa nampahafantariny ny zava-miafina ny amin'ny sitrapony isika, araka ny safidiny izay nokasain'ny tenany, 10 hahatanteraka ny fitondrana hatao mandrapahatapitry ny andro voatendry, hanangonany [hanagonany indray] ny zavatra rehetra ho iray ao amin'i Kristy, na ny any an-danitra, na ety an-tany, dia ho ao aminy; 11 ao aminy koa no nanaovana antsika ho lovany [no nandraisantsika ny lova.], rehefa notendrena rahateo isika araka ny fikasan'Izay mahefa ny zavatra rehetra araka ny ankasitrahan'ny fony, 12 mba ho fiderana ny voninahiny izahay, izay nanantena an'i Kristy rahateo. 13 Ao aminy koa hianareo, rehefa renareo ny tenin'ny fahamarinana, dia ny filazantsara famonjena anareo, - eny, ao aminy koa hianareo, rehefa nino, no nasiana tombo-kase tamin'ny Fanahy Masina araka ny teny fikasana. 14 Izany Fanahy izany no santatry ny lovantsika ho amin'ny fanavotana ny olona izay nalainy ho an'ny tenany, ho fiderana ny voninahiny. 15 Ary noho izany izaho koa, rehefa nandre ny finoanareo an'i Jesosy Tompo izay hitan'ny [ny finoanareo an'i Jesosy Tompo sy ny fitiavanareo] olona masina rehetra, 16 dia tsy mitsahatra misaotra noho ny aminareo ka mahatsiaro anareo amin'ny fivavahako, 17 mba homen'Andriamanitr'i Jesosy Kristy Tompontsika, Rain'ny voninahitra, ho anareo ny fanahin'ny fahendrena sy ny fanambarana amin'ny fahalalana Azy tsara, 18 ary mba hampahiratina ny mason'ny sainareo, mba ho fantatrareo izay fanantenana avy amin'ny fiantsoany sy izay haren'ny voninahitry ny lovany eo amin'ny olona masina, 19 ary ny fihoaran'ny halehiben'ny heriny ho antsika izay mino, araka ny fiāsan'ny herin'ny faherezany, 20 izay nataony tao amin'i Kristy tamin'ny nananganany Azy tamin'ny maty sy ny nampitoerany Azy eo amin'ny tānana ankavanana any an-danitra, 21 ambony lavitra noho ny fanapahana rehetra sy ny fahefana sy ny hery sy ny fanjakana ary ny anarana rehetra izay tononina, tsy amin'izao fiainana izao ihany, fa amin'ny ho avy koa, 22 dia nampanaiky ny zavatra rehetra ho eo ambanin'ny tongony Izy ka nanao Azy ho Lohany manapaka ny zavatra rehetra ho an'ny fiangonana, 23 izay tenany, dia ny fahafenoan'Izay mameno izao zavatra rehetra izao amin'ny rehetra. 6