1 Koa amin'izany dia aoka hanahaka an'Andriamanitra hianareo tahaka ny zanaka malala; 2 ary mandehana amin'ny fitiavana, toy ny nitiavan'i Kristy anareo, dia ny nanolorany ny tenany ho fanatitra sy ho fanavotana [fanatitra alatsa-dra] amin'Andriamanitra, ho hanitra ankasitrahana, hamonjy antsika. 3 Fa ny fijangajangana sy ny fahalotoana rehetra, na ny fieremana, dia aza hotononina eo aminareo akory aza, fa tsy mahamendrika ny olona masina izany, 4 na fahavetavetana, na resaka fahadalana, na vosodratsy, izay tokony hatao, fa aleo misaotra. 5 Fa fantatrareo marimarina, fa samy tsy manana lova eo amin'ny fanjakan'i Kristy sy Andriamanitra na ny mpijangajanga rehetra, na ny olom-betaveta, na ny olona mierina (mpanompo sampy izany). 6 Aza mety hofitahin'olona amin'ny teny foana hianareo; fa izany zavatra izany no mahatonga ny fahatezeran'Andriamanitra amin'ny zanaky ny tsi-fanarahana. 7 Koa aza mety ho mpiombona aminy hianareo. 8 Fa maizina hianareo fahiny, fa efa mazava ao amin'ny Tompo kosa ankehitriny; mandehana tahaka ny zanaky ny mazava 9 (fa ny vokatry ny mazava dia ao amin'ny fahatsarana rehetra sy ny fahamarinana ary ny fahitsiana), 10 mamantatra izay ankasitrahan'ny Tompo. 11 Ary aza miray amin'ny asan'ny maizina tsy mahavoka-tsoa, fa aleo mananatra izany. 12 Fa izay ataony ao amin'ny miafina, dia mahamenatra na dia ny milaza izany aza. 13 Fa ny zavatra rehetra, raha anarina, dia asehon'ny mazava; fa na inona na inona aseho dia mazava. 14 Koa izany no ilazany hoe: Mifohaza hianao izay matory, Ary mitsangāna amin'ny maty, Dia hampahazava anao Kristy. 15 Koa tandremo tsara izay fandehanareo, mba tsy hitondranareo tena tahaka ny adala, fa tahaka ny hendry, 16 ka hararaoty ny andro azo anaovan-tsoa, fa ratsy izao fiainana izao. 17 Ary noho izany dia aza manao adaladala, fa aoka ho fantatrareo izay sitrapon'ny Tompo. 18 Ary aza ho mamon-divay hianareo, fa amin'izany dia misy fanaranam-po amin'ny ratsy, dia aoka hofenoina ny Fanahy, 19 ka mifampilazā amin'ny salamo sy ny fihirana ary ny tonon-kiram-panahy, dia mihira sy mikalo ao am-ponareo ho an'ny Tompo, 20 misaotra an'Andriamanitra Ray mandrakariva noho ny zavatra rehetra, amin'ny anaran'i Jesosy Kristy Tompontsika, 21 sady mifanaiky amin'ny fahatahorana an'i Kristy. 22 Hianareo vehivavy, maneke ny vadinareo tahaka ny anekena ny Tompo. 23 Fa ny lahy no lohan'ny vavy, dia tahaka an'i Kristy koa Lohan'ny fiangonana; ary Izy no mpamonjy ny tena. 24 Fa tahaka ny anaken'ny fiangonana an'i Kristy no haneken'ny vavy ny lahy koa amin'ny zavatra rehetra. 25 Hianareo lehilahy, tiava ny vadinareo, dia tahaka ny nitiavan'i Kristy ny fiangoanana ka nanolorany ny tenany hamonjy azy, 26 mba hahamasina azy amin'ny anadiovany azy amin'ny rano fanasana amin'ny teny; 27 mba ho raisiny [hatolony] ho an'ny tenany izany ho fiangonana malaza tsy misy pentipentina, na fiketronana, ny izay toy izany, fa mba mho masina sady tsy misy tsiny izay. 28 Dia tahaka izany koa, ny lehilahy tokony ho tia ny vadiny tahaka ny tenany ihany. Izay tia ny vadiny dia tia ny tenany. 29 Fa tsy mba nisy olona tsy tia ny nofony, fa mamelona sy mitaiza azy, dia tahaka an'i Kristy amin'ny fiangonana; 30 fa momba ny tena isika. 31 3Ary noho izany ny lehilahy dia handao ny rainy sy ny reniny ka hiray amin'ny vadiny, ary dia ho nofo iray ihany izy roroa" (Gen. 2. 24). 32 Zava-miafina lehibe izany; fa milaza ny amin'i Kristy sy ny fiangonana aho. 33 Na dia izany asa, samia tia ny vadiny tahaka ny tenany hianareo lehilahy rehetra, ary aoka kosa ny vavy hanaja [hatahotra] ny lahy.