1 Koa raha niara-natsangana tamin'i Kristy hianareo, dia katsaho ny zavatra any ambony, any amin'ny itoeran'i Kristy, Izay mipetraka eo an-tànana ankavanan'Andriamanitra. 2 Saino ny zavatra any ambony, fa tsy ny zavatra ety an-tany. 3 Fa efa maty hianareo, ary ny fiainanareo miara-miafina amin'i Kristy ao amin'Andriamanitra. 4 Raha hiseho Kristy fiainantsika, dia hiara-miseho aminy koa amin'ny voninahitra hianareo. 5 Koa vonoy ny momba ny tenanareo izay ety an-tany, dia fijangajangana, fahalotoana, firehetam-po, fanirian-dratsy ary fieremana, dia fanompoan-tsampy izany; 6 fa izany zavatra izany no mahatonga ny fahatezeran'Andriamanitra amin'ny zanaky ny tsi-fanarahana; 7 izany koa no nalehanareo fahiny, fony mbola velona taminy hianareo. 8 Fa ankehitriny, esory koa izao rehetra izao, dia fahatezerana, fiafonafonana, lolom-po, fitenenan-dratsy, teny mahamenatra avy amin'ny vavanareo. 9 Aza mifandainga hianareo, fa efa narianareo ny toetra [olona] taloha mbamin'ny asany; 10 ary efa notafianareo ny toetra vaovao [olona], izay havaozina ho amin'ny fahalalana tsara araka ny endrik'Ilay nahary azy. 11 Fa amin'izany dia tsy misy jentilisa [Grika] sy Jiosy, na voafora sy tsy voafora, na barbariana sy Skytiana, na andevo sy tsy andevo, fa Kristy no zavatra rehetra sady amin'ny rehetra. 12 Koa mitafia famindrampo sy fiantrana, fahamoram-panahy, fanetren-tena, fahalemem-panahy, fandeferana, araka ny olom-boafidin'Andriamanitra sady masina no malala. 13 Mifandefera, ka mifamelà heloka hianareo, raha misy manana alahelo amin'ny sasany; tahaka ny namelan'ny Tompo [Kristy] ny helokareo no aoka mba hamelanareo heloka kosa. 14 Ary aoka ho ambonin'izany rehetra izany ny fitiavana, fa fehin'ny fahatanterahana izany. 15 Ary aoka hanapaka ao am-ponareo ny fiadanan'i Kristy, fa ho amin'izany no niantsoana anareo ho tena iray; ary aoka ho feno fisaorana hianareo. 16 Aoka ny tenin'i Kristy hitoetra betsaka ao aminareo amin'ny fahendrena rehetra, dia mifampianara ka mifananara amin'ny salamo sy ny fihirana ary ny tonon-kiram-panahy, mihira amin'ny fahasoavana ao am-ponareo ho an'Andriamanitra. 17 Ary na inona na inona ataonareo, na amin'ny teny, na amin'ny asa, dia ataovy amin'ny anaran'i Jesosy Tompo izany rehetra izany, ka misaora an'Andriamanitra Ray amin'ny alalany. 18 Hianareo vehivavy, maneke ny vadinareo araka izay mety hatao ao amin'ny Tompo. 19 Hianareo lehilahy, tiava ny vadinareo, ary aza sosotra [mangidy] aminy. 20 Hianareo zanaka, maneke ny ray aman-dreninareo amin'ny zavatra rehetra; fa ankasitrahana ao amin'ny Tompo izany. 21 Hianareo ray, aza mampahasosotra ny zanakareo, fandrao hamoy fo izy. 22 Hianareo mpanompo, maneke ny tomponareo araka ny nofo amin'ny zavatra rehetra, tsy amin'ny fanompoana eo imaso, tahaka ny mpila sitraka amin'olona, fa amin'ny fahatsoram-po, matahotra ny Tompo; 23 ary na inona na inona ataonareo, dia ataovy amin'ny fo, tahaka ny ho an'ny Tompo, fa tsy ho an'olona, 24 satria fantatrareo fa ny Tompo no handraisanareo ny lova ho valiny; fa manompo an'i Kristy Tompo hianareo. 25 Fa izay manao ny tsy marina dia handray araka ny tsy marina nataony; fa tsy misy fizahan-tavan'olona.