1 Rehefa nampitenenin'Andriamanitra tamin'ny razana fahiny ny mpaminany tamin'ny andro samy hafa sy ny fanao samy hafa; 2 dia amin'izao andro farany izao kosa no nampitenenany tamintsika ny Zanany, Izay voatendriny ho Mpandova ny zavatra rehetra; Izy no nahariany izao tontolo izao, 3 Izy koa no famirapiratan'ny voninahiny sy endriky ny tenany indrindra ary mihazona ny zavatra rehetra amin'ny herin'ny teniny; ary rehefa nanao fanadiovana hahafaka ny fahotana Izy, dia nipetraka teo amin'ny tànana ankavanan'ny Lehibe any amin'ny avo 4 ka natao tsara noho ny anjely, araka ny nandovany anarana tsara noho ireny. 5 Fa anjely iza no mba nilazany hoe: "Zanako Hianao, Izaho niteraka Anao andro-any"?(Sal. 2. 7.) Ary koa: "Izaho ho Rainy, Ary Izy ho Zanako"? (2Sam. 7. 14.) 6 Ary raha mitondra ny Lahimatoa ho amin'izao fiainana izao indray, dia hoy Izy: "Ary aoka ny anjelin'Andriamanitra rehetra hiankohoka eo anoloany" (Sal. 97.7). 7 Ary ny anjely dia ilazany hoe: "Izy manao ny anjeliny ho rivotra, Ary ny mpanompony ho lelafo" (Sal. 104. 4). 8 Fa ny Zanaka kosa dia nilazany hoe: "Ny seza fiandriananao, Andriamanitra “, dia mandrakizay doria; Ary ny tehim-pahitsiana no tehim-panjakanao; 9 Tianao ny fahamarinana, fa halanao ny heloka; Koa Andriamanitra, dia Andriamanitrao, efa nanoso-diloilo fifaliana Anao mihoatra noho ny namanao" (Sal. 45. 6, 7). 10 Ary izao koa: "Hianao, Jehovah ô, tany aloha no nanorenanao ny tany, Ary asan'ny tànanao ny lanitra; 11 Ireo dia ho levona, fa Hianao no maharitra; Ary izy rehetra ho rovitra toy ny fitafiana, 12 Ary toy ny lamba no hamalonanao azy, Dia toy ny fitafiana, ka hovana izy; Fa Hianao no tsy miova, Ary ny taonanao no tsy ho tapitra" (Sal. 102. 25-27). 13 Fa anjely iza no mba nilazany hoe: "Mipetraha eo an-tànako ankavanana, Ambara-panaoko ny fahavalonao ho fitoeran-tongotrao"? (Sal. 110. 1.) 14 Tsy fanahy manompo va izy rehetra, nirahina hanao fanompoana ho an'izay handova famonjena? 3