1 Fa ny lalāna, izay misy aloky ny zava-tsoa ho avy, fa tsy ny tena endrik'izany zavatra izany, dia tsy mba mahatanteraka ny olona manatona amin'izay fanatitra ateriny mandrakariva isan-taona. 2 Raha izany, dia tsy ho nitsahatra va ny nanaterany ireo, satria rehefa nodiovina indray mandeha ny mpivavaka, dia tsy ho nasian'ny fieritreretany ny amin'ny ota intsony izy? 3 Fa amin'ireo dia misy fahatsiarovana ny ota isan-taona. 4 Fa tsy mahaisotra ny ota ny ran'ombilahy sy ny ran'osilahy. 5 Koa nony niditra tamin'izao fiainana izao Izy, dia nanao hoe: "Ny fanatitra alatsa-dra sy ny fanatitra hohanina tsy mba nilainao, fa tena no namboarinao ho Ahy; 6 Ny fanatitra odorana sy ny fanatitra noho ny ota tsy sitrakao; 7 Dia hoy Izaho: Inty Aho tonga - Ao amin'ny horonam-boky no nanoratana Ahy - Hanao ny sitraponao, Andriamanitra “" (Sal. 40. 6-8). 8 Rahefa nolazainy teho hoe: "Ny fanatitra alatsa-dra sy ny fanatitra hohanina sy ny fanatitra odorana ary ny fanatitra noho ny ota" (dia ireny aterina araka ny lalāna)" no tsy ilainao ary tsy sitrakao," 9 dia hoy indray Izy: "Inty Aho tonga hanao ny sitraponao." Manaisotra ny voalohany Izy mba hampitoerany ny faharoa. 10 Amin'izany sitrapo izany no nanamasinana antsika tamin'ny nanaterana ny tenan'i Jesosy Kristy indray mandeha. 11 Ary ny mpisorona rehetra dia mitsangana isan-andro manao fanompoam-pivavahana sy manatitra ireny fanatitra ireny ihany matetika izay tsy mahaisotra ny ota; 12 fa Izy kosa, rehefa nanao fanatitra iray monja ho mandrakizay noho ny ota, dia efa mipetraka eo an-tānana ankavanan'Andriamanitra, 13 ka hatramin'izao dia miandry Izy mandra-panaony ny fahavalony ho fitoeran-tongony. 14 Fa ny fanatitra iray ihany no efa nahatanterahany ho mandrakizay izay olona hamasinina. 15 Ary ny Fanahy Masina koa manambara izany amintsika; fa rehefa voalazany hoe: 16 "Izao no fanekena hataoko aminy, Rehefa afaka izany andro izany, hoy Jehovah: Hataoko ao am-pony ny lalāko, sady hosoratako ao an-tsainy," 17 dia hoy koa Izy: "Ny fahotany sy ny helony tsy hotsarovako intsony" (Jer. 31. 33, 34). 18 Ary rehefa misy famelana ireo, dia tsy misy fanatitra noho ny ota intsony. 19 Koa amin'izany, ry rahalahy, satria manana fahatokiana hiditra ao amin'ny fitoerana masina isika noho ny ran'i Jesosy, 20 amin'izay lālana natokany ho antsika, dia lālana vaovao sady velona, namaky teo amin'ny efitra lamba, dia ny nofony, 21 sady manana Mpisorona lehibe mitandrina ny tranon'Andriamanitra, 22 dia aoka isika hanatona amin'ny fo marina sy amin'ny fahatokoana be avy amin'ny finoana, manana fo voadio ho afaka amin'ny fieritreretana ratsy sy tena voasasa tamin'ny rano madio; 23 aoka hohazonintsika mafy ny fanekena ny fanantenana mba tsy hihozongozonany (fa mahatoky Ilay efa nanao ny teny fikasana); 24 ary aoka isika hifampandinika hampandroso ny fitiavana sy ny asa tsara; 25 aza mahafoy ny fiarahantsika miangona, tahaka ny fanaon'ny sasany, fa mifananara kosa, mainka satria hitanareo fa mihantomotra ny andro. 26 Fa raha minia manota isika rehefa nahazo ny fahalalana tsara ny marina, dia tsy misy fanatitra noho ny ota intsony, 27 fa fiandrasana mahatahotra amin'ny fitsarana ary ny fahatezerana mirehitra izay handany ny fahavalo rehetra kosa. 28 Izay manohitra ny lalān'i Mosesy dia maty amin'ny tenin'ny vavolombelona roa na telo ka tsy asiana famindrampo; 29 manao ahoana kosa ary no hamafin'ny fampijaliana ataonareo tokony hihatra amin'izay nanitsaka ny Zanak'Andriamanitra ka nanao ny ran'ny fanekena izay nanamasinana azy ho zavatra tsy masina sady naniratsira ny Fanahin'ny fahasoavana? 30 Fa fantatsika izay nanao hoe: "Ahy ny famaliana; Izaho no hamaly;" ary koa: "Jehovah hitsara ny olona" (Deo. 32. 35, 36). 31 Zavatra mahatahotra ny ho azon'ny tanan'Andriamanitra velona. 32 Fa tsarovy ny andro fahiny izay naharetanareo ny ady mafy tamin'ny fahoriana, rehefa nohazavaina hianareo; 33 indraindray raha natao ho fizaha noho ny fanaratsiana sy ny fampahoriana hianareo, ary indraindray koa raha tonga naman'izay aron'izany. 34 Fa sady niara-niaritra tamin'izay nifatotra hianareo no nifaly raha norobaina ny fanananareo, satria fantatrareo fa hianareo dia manana fananana tsara lavitra sady maharitra. 35 Koa aza manary ny fahasahianareo izay misy valiny lehibe. 36 Fa tokony hanana faharetana hianareo mba hahazoanareo izay lazain'ny teny fikasana, rehefa vitanareo ny sitrapon'Andriamanitra. 37 Fa "rehefa afaka kelikely, dia ho tonga Ilay ho avy, fa tsy hitaredretra." 38 Ary "ny oloko marina dia ho velon'ny finoana;" fa raha mihemotra izy, dia tsy sitraky ny fanahiko (Hab. 2. 3,4). 39 Fa isika tsy mba naman'izay mihemotra ho amin'ny fahaverezana, fa naman'izay mino ho amin'ny famonjena ny fanahy.