1 Koa satria niaritra tamin'ny nofo Kristy, dia alao mba ho fiadianareo koa izany saina izany; fa izay niaritra tamin'ny nofo dia efa afaka amin'ny ota; 2 mba tsy handanianareo ny andro sisa iainanareo amin'ny nofo araka ny filan'ny olona intsony, fa araka ny sitrapon'Andriamanitra. 3 Fa ampy izay ny andro lasa ho nanaovana ny fanaon'ny jentilisa tamin'ny nandehanana tamin'ny fijejojejoana sy ny fanirian-dratsy sy ny fisotroan-taoka ary ny fanompoan-tsampy izay fady indrindra; 4 ary amin'izany dia gaga izy ireo, satria tsy miara-mihazakazaka aminy hianareo amin'izany fanaranam-po amin'ny ratsy izany, ka dia teneniny ratsy; 5 nefa hampamoahin'Ilay efa vonona hitsara ny velona sy ny maty izy. 6 Fa noho izao no nitoriana ny filazantsara tamin'izay maty aza: mba ho tsaraina araka ny olona amin'ny nofo izy, fa ho velona araka an'Andriamanitra amin'ny fanahy. 7 Fa antomotra ny faran'ny zavatra rehetra; koa hendre ka mahonona tena ho amin'ny fivavahana. 8 Ary mihoatra noho ny zavatra rehetra, mifankatiava tsara; fa "ny fitiavana manarona fahotana maro" (Oha. 10 .12). 9 Mifampiantranoa, ka aza mimonomonona. 10 Samia mifanompo araka ny fanomezam-pahasoavana izay noraisinareo, dia tahaka ny mpitandrina tsara ny fahasoavana maro samy hafa izay an'Andriamanitra. 11 Raha misy olona miteny, dia aoka izy hiteny toy ny milaza tenin'Andriamanitra; raha misy olona manompo, dia aoka izy hanao izany araka ny hery izay omen'Andriamanitra azy; mba hankalazana an'Andriamanitra amin'ny zavatra rehetra amin'ny alalan'i Jesosy Kristy; fa Azy ny voninahitra sy ny fanjakana mandrakizay mandrakizay. Amena. 12 Ry malala, aza gaga noho ny fizahan-toetra mahamay izay mahazo anareo ho fitsapan-toetra, ary aza atao ho zavatra mahagaga manjo anareo izany; 13 fa araka ny iombonanareo fijaliana amin'i Kristy dia mifalia, mba hiravoravoanareo indrindra amin'ny fisehoan'ny voninahiny koa. 14 Sambatra hianareo, raha haratsiana noho ny anaran'i Kristy; fa ny Fanahin'ny voninahitra, dia ny Fanahin'Andriamanitra, mipetraka ao aminareo. 15 Fa aoka tsy hisy eo aminareo hijaly satria mpamono olona, na mpangalatra, na mpanao ratsy, na mpiraharaha ny an'olona. 16 Fa raha misy mijaly satria Kristiana, dia aoka tsy ho menatra izy; fa aoka hankalaza an'Andriamanitra amin'izany anarana izany izy. 17 Fa tonga ny andro hiantombohan'ny fitsarana hatrao amin'ny ankohonan'Andriamanitra; ary raha miantomboka amintsika izany, dia hanao ahoana kosa no hiafaran'izay tsy manaiky ny filazantsaran'Andriamanitra? 18 Ary "raha saiky tsy voavonjy ny marina, aiza no hisehoan'ny ratsy fanahy sy ny mpanota?" (Oha. 11. 31). 19 Koa izay mitondra fahoriana araka ny sitrapon'Andriamanitra, dia aoka ny fanaovan-tsoa no hanolorany ny fanahiny ho an'Ilay mahatoky, dia ny Mpanao azy. 14