1 Koa ny amin'ny loholona izay eo aminareo, izaho, izay naman'ny loholona sy vavolombelon'ny fijalian'i Kristy ary mpiombona ny voninahitra efa haseho koa, dia mananatra azy hoe: 2 Andraso ny ondrin'Andriamanitra izay eo aminareo, mitandrina azy tsy an-tery, fa amin'ny sitrapo [araka an'Andriamanitra]; tsy amin'ny fitiavana harena maloto, fa amin'ny zotom-panahy; 3 tsy ho mpanjakazaka amin'ny anjara-fiandrasana, fa ho fianaran'ny ondry. 4 Ary rehefa miseho ny Lohan'ny mpiandry, dia hahazo ny satroboninahitra tsy mety simba hianareo. 5 Ary hianareo izay mbola tanora fanahy kosa, dia maneke ny loholona. Eny, samia misikina fanetren-tena hianareo ka mifanompoa; fa "Andriamanitra manohitra ny miavonavona, fa manome fahasoavana ho an'ny manetry tena" (Oha. 3. 34). 6 Koa amin'izany manetre tena ambanin'ny tàna-maherin'Andriamanitra, mba hanandratany anareo amin'ny fotoan'andro; 7 ary apetraho aminy ny fanahianareo rehetra; fa Izy no miahy anareo (Sal. 55. 22). 8 Mahonona tena, miambena: fa ny devoly fahavalonareo mandehandeha tahaka ny liona mierona mitady izay harapany; 9 tohero izy, ka miorena tsara amin'ny finoana hianareo, satria fantatrareo fa izany fahoriana izany dia manjo ny rahalahinareo rehetra eran'izao tontolo izao. 10 Ary Andriamanitry ny fahasoavana rehetra, Izay efa niantso anareo ho any amin'ny voninahiny mandrakizay ao amin'i Kristy, rehefa niaritra fahoriana vetivety hianareo, dia Izy no hahatanteraka sy hampiorina ary hampitoetra anareo. 11 Ho Azy anie ny fanjakana mandrakizay. Amena. 12 Efa nanoratra teny fohifohy ho amonareo aho hampitondraina an'i Silasy, izay ataoko ho rahalahy mahatoky, dia mananatra anareo aho ka ka manambara fa izany no tena fahasoavan'Andriamanitra, tomoetra tsara amin'izany hianareo. 13 Izay any Babylona, voafidy ho namanareo, manao veloma anareo, ary Marka zanako koa. 14 Mifanaova veloma amin'ny fanoroham-pitiavana. Ho aminareo rehetra izay ao amin'i Kristy anie ny fiadanana.