1 Ary hitako fa indro, nisy boky voasoratra tao anatiny sy teo ivohony, voapetaka mafy tamin'ny tombokase fito, teo an-tànana ankavanan'Ilay nipetraka teo ambonin'ny seza fiandrianana. 2 Ary hitako fa, indro, nisy anjely mahery niantso tamin'ny feo mafy hoe: Iza no mendrika hanokatra ny boky sy hamaha ny tombo-kaseny? 3 Ary tsy nisy tany an-danitra, na tety an-tany, na tany ambanin'ny tany, nahasokatra ny boky na nahajery azy. 4 Ary nitomany mafy aho, satria tsy nisy hita miendrika hanokatra ny boky na hijery azy. 5 Ary ny anankiray tamin'ny loholona nanao tamiko hoe: Aza mitomany; indro, ny Liona avy amin'ny firenen' i Joda, dia ny Solofon'i Davida no efa naharesy ka hanokatra ny boky sy hamaha ny tombo-kaseny fito. 6 Ary hitako fa, indro, teo afovoan'ny seza fiandrianana sy ny zava-manan-aina efatra ary teo afovoan'ny loholona dia nisy Zanak'ondry nitsangana tahaka ny efa voavono, nanan-tandroka fito sy maso fito, dia ny Fanahy fiton'Andriamanitra nirahina hankany amin'ny tany rehetra. 7 Ary tonga Izy ka nandray ny boky teo an-tànana ankavanan'Ilay nipetraka teo ambonin'ny seza fiandrianana. 8 Ary rehefa nandray ny boky Izy, ny zava-manan-aina efatra sy ny loholona, efatra amby roa-polo dia niankohoka teo anatrehan'ny Zanak'ondry, sady samy nanana lokanga sy lovia volamena feno ditin-kazo manitra izy, dia vavaka ataon'ny olona masina izany. 9 Ary nihira fihiram-baovao izy ka nanao hoe: Hianao no mendrika haka ny boky sy hamaha ny tombo-kaseny; fa voavono Hianao, ary ny ranao no nanavotanao ho an'Andriamanitra olona avy tamin'ny fokom-pirenena rehetra sy ny samy hafa fiteny, sy ny olona ary ny firenena rehetra; 10 Ary efa nataonao fanjakana sy mpisorona ho an'Andriamanitra ireo; ary manjaka ambonin'ny tany izy. 11 Ary nahita aho sady nandre feon'anjely maro manodidina ny seza fiandrianana sy ny zava-manan-aina ary ny loholona, ary ny isany dia alinalina sy arivoarivo, 12 nanao tamin'ny feo mahery hoe: Ny Zanak'ondry, Izay novonoina, dia mendrika handray hery sy harena sy fahendrena sy faherezana sy haja sy voninahitra ary saotra. 13 Ary izao zavatra ary rehetra izao, na izay any an-danitra, na izay ety ambonin'ny tany sy any ambanin'ny tany, na izay any an-dranomasina mbamin'izay rehetra ao anatiny dia reko samy nanao hoe: Ho an'Ilay mipetraka eo ambonin'ny seza fiandrianana sy ho an'ny Zanak'ondry anie ny saotra sy ny haja sy ny voninahitra ary ny fanjakana mandrakizay mandrakizay. 14 Ary ny zava-manan-aina efatra nanao hoe: Amena. Ary ny loholona dia niankohoka ka nivavaka.