| 
		
		 Natao 
		batisa tamin'ny afo miredareda Pasitera 
		Yong-Doo Kim  
		
		PDF  
		
		#2
 Ireto boky ireto dia 
		mitantara ny fomba maty paika indrindra enti-miady ara-panahy izay tsy 
		mbola hitako hatrizay.Hanaitra olona maro manerana izao tontolo izao izy 
		ity ary hampilavo lefona vondron-devoly maro. Aharihary avokoa ireo 
		devoly, omen’Andrimanitra fitaovam-piadiana vaovao maro samihafa ny 
		tafika ampiasainy mandritra izao andro farany izao. Mitarika olona maro 
		ho any amin’ny helo ny fanahy ratsy ary miezaka mafy hampikatso ny asa 
		rehetra ataon’ny fiangonana; fitoriana, tafika masina, fiombonam-bavaka, 
		fanompoana, fanaovan-tsoa sns… araka ny fanoharan’I Jesosy dia amin’ny 
		alina, rehefa matory ny olona, no amafazan’ny fahavalo ny voaratsiny. 
		Tsapa araka izany fa manan-danja indrindra ny fiaraha-mivavaka mandritry 
		ny alina (NUWI) raha te-hanohitra ny devoly. Mampihena tanteraka ny 
		herin’ny fahavalo ny fanomezam-pahasoavan’ny maso ara-panahy, satria tsy 
		ahafahany miafina, mampibaribary ny momba azy, ny hafetseny, ny 
		famitahany, ny fahadisoam-panantenany, ny fanovàny endrika ary ny 
		toerany. Ity fanambarana ity dia hanova ny fiangonana ho mpanafika 
		amin’izay fa tsy hiaro tena lava izao.
		
		
		doc |